La Gazette de la grande ile

Fiompiana sy fambolena : Mba jereo koa ny madinika e !

Publié le 07 juin 2022

Nampanakoakoina teto amin’ny tany sy ny firenena ny zoma teo ilay lanonam-pitokanana ilay orin’asa antsoina hoe « Mabel» na « Madagascar Abattage Elevage » izay toerana famonoana akoho. Eny Anosimanjaka Ambohidratrimo no misy azy io, izay voambara hatrany fa manara-penitra. Mahatratra 20.000 isan’andro ny akoho vokarin’izy io ka voalaza fa ny orin’asa Mabel ihany no manome ny zanak’akoho sy ny provandy hitomboan’ireo fa ny mpiompy manodidina no mahazo ny tombony.

Ny filohampirenena Rajoelina mihitsy no tonga teny an-toerana nitokana ity orin’asa ity. Tsy bitika izany fa tena goavana, ary na ny fiantohana ny akoho 20.000 isanandro hovolosan’izy io aza dia tena tsy an-jaza. Ny famoahana ny vokatra koa dia tsy maintsy efa voahadihady satria hatreto dia tsy mihinana akoho mihoatra ny roa kilao isan-taona ny malagasy iray raha anjatony kilao isan-taona ny any ampin’ny firenena hafa. Tsy sitra-pon’ny malagasy izany fa noho ny fampahantrana azy ampolontaonany maro.

Raha mijery ilay orin’asa aloha isika dia raitra, hoy ny fitenenana. Azo antoka fa tsy malagasy no tompony satria tsy misy malagasy manam-bola hieritreritra hampiasa vola amin’izany.

Etsy ankilany, mba lasa ihany ny fisainan’ny maro hoe « rehefa orin’asa atsangan’ny vahiny dia kinga ny fitondram-panjakana , ny filohampirenena ; mihazakazaka mitokana azy, fa mba ahoana ny orin’asan’ny malagasy ?

Ny karazan’akoho hovonoina ao amin’ity « Mabel » ity aloha dia azo antoka ny akoho fakana nofony na « poulet de chair », satria ireny no efa voakajy ny fotoana analehibeazana azy sy ny tsy maintsy hamonoana azy. Ny dikan’izany dia mpifaninana mivantana amin’ireo malagasy maro efa mivelona amin’ity karazam-pihariana akoho fakana nofony ity izy io. Manahy indray ny maro fa ho voatelin’ity « Mabel » ity tsy ho ela ireo malagasy madinika mpiompy akoho fakana nofo izay mamokatra akoho amin’arivony monja, na anjatony aza ny an’ny maro.

Mba jereo akaiky manokana re, ry fanjakana, ny vahoaka malagasy madinika mpiompy sy mpamboly fa aza ny mpanam-bola goavana ihany no tohanana. Jereo fa voizina mafy dia mafy ny fikaonandoham-pirenena hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ity volana jona ity, ka ny tontolon’ny fiompiana sy fambolena no tena homen-danja ao, saingy ny mpanambola , izay vahiny no maro, no hibahan-toerana ao e. Zara raha hisy tantsaha madinika hatramin’ny 10 hisehatra ao, izay tsy hohenoina akory ny feony.

Tsimba

Lire aussi