Ny talata hariva teo no nisy naka takalon’aina an-keriny teny Besarety teto Antananarivo ny teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay, Zahid. Omaly ihany dia re fa nandefa mpitandro ny filaminana teto Madagasikara avy amin’ny Gign ny fitondram-panjakana frantsay hiara-misalahy amin’ny tomponandraiki-panjakana malagasy amin’ny fikarohana ny misy an’io teratany frantsay nisy naka an-keriny io.
Fahafaham-baraka ho an’ny fitondram-panjakna sy ny tomponandraikitra misahana ny filaminana eto Madagasikara aloha izany, na inona ambara na inona lazaina. Midika mantsy fa tsy afaka miaro ny aina sy ny fananan’ny olona eto ny mpitondra fanjakana, na an’ny teratany malagasy na an’ny vahiny.
Faharoan’izany dia hita fototra avy hatrany amin’izany fa tsy isan’ny manana ahiahy amin’ny olona eto Madagasikara, na gasy na vahiny, ny mpitondra fanjakana. Olom-pirenena frantsay tokana no misy maka an-keriny aty Madagasikara, amin’izay tsy tena frantsay ray sy reny fa nangataka hizaka ny zom-pirenena frantsay fotsiny, dia efa mandray fepetra mandefa mpitandro ny filaminana avy any aminy ny fitondram-panjakana frantsay.
Aiza ho aiza amin’izany ny ataon’ny fitondram-panjakana malagasy raha misy teratany malagasy ianjadian’ny tsy rariny na voahitsakitsa-jo any ivelany any ?
Etsy an-kilany, lasa ihany koa ny fisainana hoe « sao sanatria ka misy tsikombakomba maloto eo amin’ny mpitondra fanjakana malagasy sy ny mpitondra fanjakana frantsay amin’izao raharaha izao ? » Ny tian-kambara dia hoe « mety ho efa tsinjon’ny mpitondra fanjakana malagasy ny ho fanoheran’ny vahoaka an’io fivorian’ny frankôfônia eto io ka zaran’ny mpitondra malagasy aza nisy izao fakana takalon’aina an-keriny an’ity teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay ity hanararaotana hampidirana eto ny tafika na mpitandro ny filaminana frantsay hiantoka ny famoretana ny vahoaka mihetsika manohitra an’io fivorian’ny frankôfônia io.
Fa iza koa no mahita izay any am-parahatoky ny fitondram-panjakana frantsay any raha toa ka hohararaotiny amin’izao fisian’ny fakana an-keriny ny terataniny eto izao ka ampidirany ny mpitandro ny filaminana avy any aminy ny ho famaharany eto indray, izay hialokalofany amin’ny hoe « miaro ny olom-pirenenay any aminareo malagasy izahay frantsay ». Dia lasa manana tobim-pamaharana eto ry zareo, ary tsy hieritreritra afa-tsy ny tombontsoa frantsay eto izy ireo, izay mety hitohy hatramin’ny fanamafisana ny fanjanahana sy fangejana an’i Madagasikara ? Tsy ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika intsony amin’izay no hogejain-dry zareo frantsay fa ny nosy lehibe Madagasikara mihitsy.
Mila mailo izany isika vahoaka fa tsy afaka ny hiantehitra amin’ireo mpitondra mpivarotra tanindrazana ireo amin’izao fanitsakitsahan’ny vahiny ny fiandrianam-pirenentsika izao.