Tsy ilay andininy faha-20 amin’ilay lalàna 2014-006 (cybercriminalité) takian’ny mpanao gazety amin’izao fotoana ny hanafoanana azy ihany akory no olana ao amin’io volavolana fehezan-dalàna momba ny fifandraisana io fa misy hafa koa ao. Isan’izany ny andiny faha-30 amin’ny andalana fahatelo amin’io volavolan-dalàna io, izay milaza fa « saziana ny gazety manentana ny olona tsy hankato ny fahaleovantenam-pirenena… » Olana iray aloha ny tsy fisian’io rijan-teny io amin’ny fiteny malagasy.

Ka hosaziana avy hatrany ve izany, ohatra, ny gazety Telonohorefy, izay hatramin’ny 1958 no tsy nankato ny Repoblika voalohany fa hoe « sarin-dokotra » ary raha nambara tamim-pomba ofisialy ny faha-26 jona 1960 ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena dia ny gazety Telonohorefy irery tamin’izany no nilaza fa « sarintsarina fahaleovantena io ka tsy ankatoavina ». Voaporofo moa izany hatramin’izao, ary maro ny olona miteny sy manindry ny tsy mbola fananan’ny firenentsika ny tena fahaleovantenany. Manamafy izany hatrany koa ny gazety Telonohorefy. Ka raha io foto-kevitry ny andininy faha-30, andalana fahatelo ao amin’ny rijan-teny volavolan-dalàna io no lany dia mbola loza hafa eo andohan’ny gazety tia tanindrazanan koa  satria tsy maintsy hanazava sy hamelabelatra ny tsy mbola fananan’i Madagasikara fahaleovantena izy ireny mandavan-taona, indrindra fa amin’ny fotoana ankatoky ny 26 jona toa izao.

Mbola misy andininy hafa ahitana taratra ny maha-lozabe io volavolan-dalàna io koa fa hoentina eto amin’ny aoriana indray.

Faralahy