Pety Rakotoniaina: Diso mihoa-pefy ny fitondrana HVM
Tafaverina teto an-drenivohitra omaly rehefa avy nametraka ny fototry ny MMF (Malagasy Mivondrona ho an’ny Fanorenana Ifotony) tany Fianarantsoa ny filohan’ny APRN, Pety Rakotoniaina. Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fisamborana ny lehiben’ny faritr’i Matsiatra Ambony teo aloha, Benjamin Raharison, ny filohan’ny APRN. “Fivoriana nihidy tao anaty trano no natao tao Fianarantsoa tamin’io andron’ny alarobia io ka tsy nisy mihitsy ny fikasàna hidina an-dalambe na fikasàna hanankorontana”, hoy i Pety Rakotoniaina. Efa mazava ankehitriny ny tetika maloto entin’ny fitondrana dia ny fampihorohorona ireo mpanao pôlitika rehetra izay manohitra azy, ary manaporofo izany koa ny antsojay natao tamin’ny solombavambahoaka Rahantanirina Nina, ny faran’ny herinandro lasa teo. “Diso mihoa-pefy ny fitondrana mijoro ankehitriny izay mampiasa ny mpitandro ny filaminana ho hery famoretana sy hery fampihorohoroana ny mpanohitra”, hoy ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa teo aloha. Raha ny momba ny raharaha ao Soamahamanina kosa dia nilaza ingahy Pety Rakotoniaina fa raha miziriziry hamela ireo Sinoa hitrandraka volamena ao an-toerana ny fanjakana dia tokony hanazava amin’ny vahoaka Malagasy iray manontolo ny tombotsoa ho azon’ny firenena amin’izany fitrandrahana izany. Raha mazava tsara ny tombotsoa ho azon’ny Malagasy amin’ity fitrandrahana ao Soamahamanina ity dia mety ho azo leferina ihany ny fisakanana ireo mponina tsy hanao fihetsiketsehana kanefa raha ny zava-misy dia tsy misy mihitsy ny fanazavana avy amin’ireo tompon’andraiki-panjakana. Izany dia midika fa misy ny fifanarahana afenina sy maloto eo amin’ireo mpitondra sy ny orinasa Juixing Mines izay tsy tokony ho fantatra ny vahoaka Malagasy.
F.Tsihiavonana