Publié le 18 février 2020
Fanjakana Antemoro: ny firafitra ny fitondrana sy ny fitantanam-panjakana ary ny vina (tohiny)
Araka ny efa nambara teto tamin’ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny 10 desambra 2019 dia i Ndrenogny Ramasitrakarivo Marc brilliant no ampanjaka ao Ivato Fenovola ao Vohipeno. Izy no ampanjaka Ndrenogny nisolo an’i Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gérard izay tsy iza fa ny zokiny ihany rehefa niamboho ity farany.
Teo aloha dia notanisaina teto ny Ndrenogny Ampanjaka nifandimby tao Matitanana tao Vohipeno nanomboka ny taona 1336 ka hatramin’ny taona 2020 izao. Efa ho 684 taona izao no nijoroany ary mbola tsy rava mihitsy. Rafi-panjakana nentin’i Reis Imam Orkhan Herios na Ramakararo izay mpanjaka Jiosy Hebreo avy any Kanana nifindra monina eto Madagasikara no rafitra mbola iainan’ny Antemoro izay notarihin’ireto Anteony ireto.
Manana ny “vina” ny “rafitra” ary ny “andraikitra” ny fanjakana Antemoro ka ny Sorabe no mamaritra izany. Boky nolovainy avy amin’i Abrahama na Ibrahim izay razamben’izy ireo izany. Io no boky voalohany nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona. Ity boky ity no mibaiko ny fiainan’ny Antemoro. Ny fitsaboana, ny fitondrana fanjakana ary ny fivavahana no ao anatin’ny Sorabe. Hajain’ny Antemoro rehetra izany. Manana ny lapa tokana itambarana ny Antemoro izay ao Ivato-Fenovola. NyAntemoro rehetra izay ivondronan’ny Anteony, ny Antalaotra izay ahitana ny Anakara taranak’i Altawarath ao Vatomasy sy ny Antesavagna izay taranak’Andriatsimeto Ragnaha, ny Onjatsy ary ny Ampanabaka antsoina ihany koa hoe Fagnarivoana.
Samy manana ny andraikiny mazava tsara hatramin’izay izy rehetra ireo.
Mba hahamora ny fandraisantsika izany fanjakana ao Vohipeno izany dia toa izao ny sary fohy manambara ny rafitra iainan’ny fanjakana Antemoro hatramin’izay ka hatramin’izao.
Natolotra ny Biraon’ny FIZA ( Fikambanan’ny zanaka Anteony Antananarivo notarihin’ny filohany kapitaine Thomas, Colonel Hariniaina Jean Luc, Ramarolahy Alexandre, Randrianirina Thiery, Fidélys ) ary Randriambe Jesy Rabelaolao
Mbola hitohy…