La Gazette de la grande ile

Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena : Manomana fitokonana ny mpiasa

Publié le 22 février 2020

Tonga sahady ny tsy fitovian-kevitra amin’ny mpanabe sy ny minisitra ny Fanabeazam-pirenena sy fampianarana ara-teknika sy arak’asa (MENETP) ramatoa Andriamanana Josoa Iarintsambatra Rijasoa.

Efa manomboka ankehitriny ny fivoriana isan-tsokajiny ataon’ireo sendika maro mamakafaka ny raharaha. Fantatra fa mivory ny lohandohan’ny sendikan’ny fanabeazana ireo tao anatin’ny herinandro izay. Ny loharanom-baovao iray avy amin’izy ireo no tafaresaka taminay milaza ny zava-misy ao amin’ity ministera ity.

Voalohany indrindra hoy ireto mpisehatra amin’ny fampianarana eto eo anivon’ny ministera sy ny mpampianatra any amin’ny sekolim-panjakana vitsivitsy eto Antananarivo fa mikorontana ny fampianarana hatramin’izao fotoana izao ka atahorana ny olana amin’ny fanatanterahana ara-dalàna ny taom-pianarana.

Araka ny voalazan’ireto sokajin’ny mpanabe ireto dia olana amin’ny fanendrena ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ity ministera ity no ipetrahan’ny tsy fifankahazoana hatramin’izao. Ramatoa minisitra Andriamanana Rijasoa raha tonga teo amin’ny toerany dia efa mba namolavola ny olona izay hanodidina azy. Ny sekretera jeneraly sy ny talen’ny kabinetra no nipetrahan’ny disadisa voalohany. Izany ingahy Bebin izany no natolony ho mpiara-miasa akaiky azy voalohany. Olona avy any Mahajanga ity rangahy ity. Fantatra ny mpiasa tao amin’ny ministera nefa izany fa olon’ny HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) hiringiriny izany olona izany ary efa hita ny nataony tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina iny fa tsy niraharaha raha tsy fikarakarana ny tenany ihany. Nentanin’ny eritreritra samy avy any amin’ny faritra fotsiny ramatoa minisitra ity ka avy hatrany dia izao mibolisatra izao sahady.

Nisy koa ny tale hafa izay noheveriny hotendrena tao amin’ny ministera nefa be mpanakiana avokoa izany.

Ny mpiasa sasany tao amin’ny ministera aza nametraka fanontaniana hoe: “mahalala ny olan’ny fampianarana marina ve ity minisitra ity?”.

Nahoana koa ity minisitra ity no tsy mba naka ny hevitra ny antokon’ny fitondrana izay nanendry azy fa tonga dia nanaonao foana toa izany. Na inona na inona zava-mitranga dia tsy azo atao ny tsy hijery ny pôlitika izay tohananao amin’ny fanapahan-kevitra toa izany. Zava-doza tokoa no hitranga raha toa ka ny fitondrana hiady amin’ny kolikoly no tanjona nefa olona niara-dia tamin’ny mpanao kolikoly no noraisina hiara-miasa. Tena lany olona tanteraka izany ny TGV sy ny Mapar izay mpitolona nitarika ny fanovana teto Madagasikara ny taona 2009.

Tsy izay ihany fa ataon’ity minisitra ity tsinontsinona ny fikambanana sendika ao amin’ny ministera izay niady mafy hatramin’izay ho an’ny fitakiana ny fanatsarana ny fanabeazana ao amin’ity ministera ity. Marina fa tsy mpitantana izy ireny saingy olona tokony hiarahana mamaha olana sy hiaraha-miasa koa.

Milaza ireo olon’ny fanabeazana ireo amin’izao fotoana izao fa raha toa ka hita fa fanendrena tsy mifanaraka tsara amin’ny filan’ny fampianarana no ataon’ity minisitra ity dia ho avy izy ireo amin’ny angady sy ny harona.

Izahay moa dia somary mametraka fanontaniana ihany hoe “tsy fandrahonana ve izany ataonareo izany ary tsy fanajana ny lehibe koa?”. Tsotra ny valiny hoe fanarenana ny fampianarana sy ny fitadiavana ny tombotsoan’ny zana-bahoaka no tadiavina ka aleo tsy hifampijery arina an-tava eto. Izany ihany hoy izy ireo no nahapotika ny firenena hatramin’izay.

Raha ny loharanom-baovao hatrany dia fantatra koa fa nolavin’ny fitondrana ny olona izay noheverin’ity minisitra ny MENETP ity ho ao anatin’ny sy ho mpiara-miasa aminy akaiky (staff). Ny antony dia satrkabinetranyia olona hita fa tsy ao anatin’ny firehana velively amin’izao fotoana izao tanteraka no nantsoiny hiara-miasa aminy.

Mandeha moa ny fanakianana isan-karazany ankehitriny mahakasika ity minisitra ny Fanabeazam-pirenena ity ka ho hitantsika eo ny fivoaran’izany. Efa misy sahady no manomankomana fitokonana amin’izao fotoana izao.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi