La Gazette de la grande ile

Politika : Sahirana ny minisitra be diplaoma

Publié le 29 février 2020

Iray volana katroka androany faha 29 febroary 2020 izao no tonga teo amin’ny toerana ny minisitra be diplaoma mandrakotra ny governemnta vaovaon’ny Ntsay Christian. Governemanta izay heverina fa ho tsaratsara kokoa noho ny teo aloha. Hotsaraina koa izy ireo ao anatin’ny iray taona araka ny nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian. Efa miomankomana koa noho izany ireo minisitra tsy mahavita azy ny faran’ny taona 2020. Raha ny fahaizana sy fananana diplaoma be dia azo lazaina fa ity no governemanta isan’ny manam-pahaizana tato anatin’ny 20 taona izay. Tsy ny fananany fahaizana nefa no zava-dehibe fa ny fahaizany mitantana ministera fa indrindra ny fananana traikefa sy fahaizana pôlitika. Ny fitantanana ministera izay hita fa tsy mandeha amin’ny laoniny loatra amin’izao fotoana izao raha toa ka ny olana misy tokony ho vahana maika no asian-teny.

Raha manaraka ny raharahan’ny governemanta isika dia hita fa misedra olana sahady ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy fampianarana ara-teknika. Milaza fa hitokona sahady ny sendikan’ny mpampianatra amin’ny talata faha 3 martsa 2020 izao. Tsy resaka diplaoma na teknika fa resaka fitantanana. Resaka pôlitika no ilaina fa tsy resaka fahaizana raha te-hamaha izany olana izany. Ho hitantsika ny hataon-dramatoa Andriamanana Josoa Iarintsambatra. Izy no hita fa tena sahirana indrindra aloha hatramin’izao.

Isan’ny misedra olana ihany ny profesora Assoumacou Elia Beatrice, ministra ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika satria mieritreritra hitoko koa na ny CROUA sy ny mpianatra mipetraka eny Ankatso. Ary ny tena mahagaga dia ny mpianatra avy any Mahajanga avy amin’ny fihaviany no isan’ny lohandohany amin’izany. Efa maro koa ireo mpampianatra mivondrona ao amin’ny SECES (Sendikan’ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpikaroka mpampianatra) no tsy faly satria tsy hita izay vahaolana omen’ity minisitra ity.

Tsy hita izay ataon’ny minisitra ny Angovo sy ny akoranafo Ramarolahy Christian ho famahany ny olana ao amin’ny JIRAMA. Fitondrana ifandovana (népotisme) no ataony ka olona efa hita fa tsy nahavita azy no nomena toerana indray toa an’ingahy Andriamanga Vonjy ka natao tale Jeneralin’ny Jirama. Satria ve mpinamana sady samy be diplaoma dia milaza azy hitondra fanovana ao amin’ity Jirama ity ? Sao dia zavatra hafa no tian’izy ireo hatao ? Tsy miova ny olan’ny delestazy sy ny rano fa mbola niampy indray aza. Hatramin’ny rano avy no tsy azo sotroana fa tsy ara-pahasalamana intsony.

Mampimenomenona ny mpiasa sahady koa ny minisitra ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny Ahmad AHMAD satria tsy mandray andraikitra fa mametraka ny asa rehetra amin’ny sekretera jeneraliny fotsiny. Variana amin’ny fandraisana olona fotsiny, hoy hatrany ny feo mandeha ao Ambohidahy ao. Mimenomenona ny kabinetrany noho izany.

Tsy hita mihitsy ny tena fandraisana andraikitra ataony momba ny valan’aretina “coronavirus” fa toa varimbariana tsy manana hevitra horaisina. Ity aretina ity nefa mampangovitra ny firenena maro ankehitriny. Sa ve miandry ny aretina ho tonga eto Madagasikara vao hikoropaka? Inona tokoa no hitranga raha toa ka sanatrian’ny vava ka tonga eto ity areti-mandoza ity ?

Mahakasika ny minisitra ny Harena ankibon’ny tany Ravokatra Fidiniavo indray dia kianin’ny mpanara-baovao amin’ny nandraisany an’i Andriantongarivo ho sekretera jeneraly amin’ny ministera iadidiany. Tena “népotisme” sy fahatahorana an’i Lalatiana Rakotondrazafy vadiny fotsiny, hoy ny resaka mandeha ary fanaovana kinamanamana sy kiantranoantrano tsotra izao. Ity Andriatongarivo ity izay sady tsy mpanao pôlitika no tsy teknisianina velively. Mitaraina mafy hatramin’ny Mapar sy ny TGV noho izany. Dia inona no ministera handeha amin’izany ?

Voakiana mafy amin’ny tsy firaharahana ny Malagasy any Chine sy ny mbola fampidirana ny vahiny eto Madagasikara ankehitriny ihany koa ny minisitra ny Raharaham-bahiny Jacob Tehindrazanarivelo sy ny minisitra ny Fitaterana Randriamandranto Joel.

Tiana ny milaza izany mba hahalalan’ireo minisitra ireo ny mbola tokony hataony satria io no fahitana zava-misy avy aty ivelany aloha hatramin’izao. Miandrandra fanovana ny vahoaka ka hisy handinihanareo ny zavatra tokony hataonareo ireo.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi