Publié le 29 février 2020
Anisan’ny toerana tian’ny mpangarom-paosy eto Andrenivohitra ireo fiantsonana be olona mpiandry taxi-be. Mora amin’izy ireo mantsy no manao ny asa ratsiny rehefa misisika miditra ao anaty fiara ny mpandeha, indrindra fa amin’iny fotoana firavan’ny mpiasa sy ny mpianatra. Manoloana izany dia nandray ny andraikiny ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena ka nanomboka omaly dia nametrahana pôlisy avokoa ireo fiantsonana efa malaza ratsy amin’izay fisiana mpangarom-paosy izay. Amin’izao fiandohana izao dia ny fiantsonana eny Ambohijatovo, Vasakaosy, Vatobe eny 67ha ary Ampefiloha eo amin’ny Fiaro aloha no ametrahana mpitandro filaminana satria ireo no tena anjakan’ny mpangarom-paosy. Tsy hijanona fotsiny amin’izay fiarovana ny mpandeha izay ihany anefa ireto pôlisy hapetraka amin’ny fiantsonana ireto fa handrindra ihany koa ny fijanonan’ireo taxi-be satria misy ireo mijanona manditra ny minitra maromaro kanefa izany no anisany mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
F.Tsihiavonana