Publié le 05 mars 2020
Raha vao nandeha ny feo fa misy « doublon » na fiverimberenan’anarana maro tamin’ny lisi-pifidianana dia avy hatrany dia ingahy Ravalomanana Marc no nandray ny resak’ingahy Thiery Rakotonarivo izay filoha lefitra ny CENI(Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana) izay nanao ny fanambarana.
Tonga dia hita fa resaka nifanarahana sy nifanaovana mialoha izao zava-mitranga izao. Fa maninona moa ingahy Thiery Rakotonarivo izay mpitondra tenin’ny CENI no izao vao nilaza ity loza be ity ? Tsy ankisalasala no ilazana eto fa misy tetika maloto ao. Iza no naniraka ity olona ity hanao izao fanambarana izao ? Tsy nanao iny fanambarana iny izy raha tsy nahazo fahefana tamin’ny filohany.
Fantatra anie fa maloto hatramin’izay ny fifidianana teto Madagasikara. Tena maloto fa tsy kisangisangy ka inona no dikan’izao tetika izao.
Nahoana ny Ceni amin’izao fotoana izao vao milaza fa tsy mety iny fifidianana iny? Miampanga tena izy ireo fa nampangalatra ny Malagasy, nanao hosoka tamin’ny fifidianana, tsy nahasahana ny asany amin’ny fahadiovan’ny fifidianana, ary hita fa manao pôlitika koa satria dia fanapahan-kevitra pôlitika izao fanambarana efa tarabe ataony izao.
Avy hatrany dia Ravalomanana Marc no nandray ny tenin’ingahy Thiery Rakotonarivo sy ny Ceni. Tena mazava izany fa Ravalomanana Marc no nampanao azy izao raharaha izao na niray tsikombakomba taminy. Ravalomanana izay tena mpangala-bato teto amin’ity firenena ity. Tena olona maloto. Tadidio ny raharaha ny 2001-2002 dia mazava ny mampaloto an-dRavalo.
Nahoana moa no tsy efa tany amin’ny taona 2017 no nanambara fa tsy mety ny lisi-pifidianana? Tsy misy asan’ny Ceni raha tsy ny hikarakara fifidianana nefa dia tsy nahita ny hadisoana izay nataony izy ireo. Fanetriben’ny firenena no azo lazaina azy ireo. Mpanakorontana firenena.
Fantatra ankehitriny fa ny volabe izay nokirakirana tao amin’ny Ceni no nahamay ireo mpikambana ireo. Volabe tsy toko tsy forohana no lanin’ity rafi-panjakana ity. Ny karama be miavosa, ny vola ampiasana tsy tenenina intsony nefa mbola tsy fahombiazana no vokatr’izany.
Raha ny fanambarana nataon’ny Ceni tamin’ny fanatanterahana iny fifidianana iny dia toa mandeha tsara ny raharaha rehetra tantaniny. Tadidintsika ny fanambarana nataon’izy ireo talohan’ny fifidianana nifanesy ireny hoe “vonona ny Ceni”.Tena tsy vonona sy tsy manjary ny asan’izy ireo fa tena mpandainga.
Eo anatrehan’ny hadalana ataon’ny CENI izao dia sao tokony haverina ho tantanin’ny ministeran’ny Atitany ihany ity fifidianana ity?
Jesy Rabelaolao