Publié le 11 juin 2020
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny solontenan’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa Sirama any Brickaville sy Nosy be, omaly, nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hamaha ny olana sedrain’izy ireo, ankehitriny. Raha ny fanazavana nomen’ireto farany dia mpiasa manodidina ny 200 isa eo ho eo no very zo tanteraka, nanomboka tamin’ny taona 2011 hatramin’ity androany ity. Tsy mbola misitraka ny CNAPS, tambikarama sy ireo zo ara-pahasalamana ireto mpiasa ireto mpiasa ireto kanefa zon’izy ireo feno no misitraka izany. Manoloana izany dia miantso ny tompon’andraiki-panjakana, indrindra fa ny filoham-pirenena mba hijery akaiky ity olana ity ny solontenan’ireo mpiasa. Ankaotra izay, mangataka tale jeneraly vaovao tena mahafehy tsara ny fitantanana orisam-pambolena (entreprise agricole), manaja amin’ny antsakany sy andavany ny zon’ny mpiasa ary manana vina matotra amin’ny fampivoarana ny orinasa ireo mpiasa eo anivon’ny Sirama. Raha ny filazan’ny solontenan’ireo mpiasa nitafa tamin’ny mpanao gazety dia tsy manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao ahafahana mampandroso ny orinasa ny tale jeneraly am-perinasa, ary manao didy jadona eo amin’ny fomba fitantanana. Ny 17 mey lasa teo moa no efa nanomboka nitaky ny fialàn’ny tale jeneraly am-perinasa ireo mpiasa Marihana fa 3 volana izao no nitantanan’io tale janeraly io ny orinasa Sirama, ankehitriny anefa dia tsy mety mandray baiko avy aminy intsony ny ampahany betsaka amin’ireo mpiasa
F.Tsihiavonana