Publié le 12 juin 2020
Miverina tato anatin’ny andro vitsy indray ny resaka momba ny Tana-Masoandro taorian’ny fahafantarana fa tsy hatao eny amin’ny faritra Ambohitrimanjaka intsony ity tetikasa lehibe nampanantenain’ny filoham-pirenena ity. Tsiahivina fa nandritra ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny loholona teny amin’ny lapa maitsy Anosikely no nilaza ny minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Michael Angelo Zasy fa efa nanapan-kevitra ny fitondram-panjakana fa hitady toerana hafa hananganana ny tetikasa Tana-Masoandro mba ho fanajana ny fitakiana ataon’ireo mponina eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina izay manaiky ny hanotofana ny tanimbarin’izy ireo. Na tsy nilaza ny toerana mety hamindrana ny tetikasa aza ity minisitra lefitra ity dia efa fantatra araka ny loharanom-baovao mari-pototra fa eny amin’iny Faritra Imerintsiatosika amin’ny lalàm-pirenena voalohany iny no eritreretin’ny fitondram-panjakana hanaovana azy, ary efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana rehetra mifandraika amin’izany. Ny loharanom-baovao hafa aza dia milaza fa eny amin’ny tanim-panjakana misy ny RAL (Régiment d’artillerie lourde) eny Imerintsiatosika no hananganana ny tetikasa. Raha ny fahitana azy dia mety hanoerana tsara ity tanàna vaovao ity eny amin’iny faritra iny satria malalaka tsara no sady tsy lavitra loatra ny renivohitra. Ny olana lehibe haterak’izany anefa dia mety hitombo avo 3 na 4 heny ny fitohanan’ny fiara amin’iny fivoahana amin’ny lalàm-pirenena voalohany iny, anisany tena voakasika amin’izany Anosizato Andrefana sy Ampitatafika. Tsara marihana mantsy fa amin’izao fotoana izao dia efa mampiteny ny moana ny fitohanan’ny fiara amin’ireo toerana ireo, indrindra fa amin’ny maraina sy ny hariva. Manomboka eny amin’ny tetezan’Anosizato ka hatreny Ambodiafontsy Ampitatafika ny fitohanan’ny fiara amin’ny maraina na ny fotoana fivoahan’ny mpiasa sy ny mpianatra. Mazava ho azy fa raha hatao eny Imerintsiatosika tokoa ny Tana-Masoandro, azo antoka fa mety ho tonga hatrany Alakamisy-Fenoarivo na mihaotra aza ny fitohanana, miainga eny amin’ny tetezan’Anosizato. Efa voaporofo izany rehefa tonga ny andron’ny alatsinain’ny paska ka feno mpitsangatsangana any amin’iny faritra andrefan’Antananarivo iny. Manoloana izany dia mila mametraka vahaolana mahomby hisorohana izay fitohanan’ny fiara eny Anosizato sy Ampitatafika izay ny fanjakana raha hanorina tanàna vaovao eny Imerintsiatosika.
F.Tsihiavonana