Publié le 15 octobre 2020
Andro manan-tantara ho an’ny firenena malagasy ny 14 oktobra izay naterahan’ny repoblika voalohany. Ankaotra ny fitondram-panjakana izay nanamarika izany daty izany tamin’ny fomba ofisialy, tany Anahidrano, distrikan’Antsohihy, dia nanao ny azy tao amin’ny tanànan’i Mandritsara ihany koa ny antoko PSD (Parti Social Démocrate) tarihan-dRamatoa Eliana Marie Bezaza , zafikelin’i Philibert Tsiranana. Fankalazana izay niarahana tamin’ireo Sojabe ara-drazana ao an-toerana sy fikambanana maro samihafa. Marihana fa efa tamin’ny sabotsy 10 oktobra lasa teo no nanombohan’ny fankalazana. Natomboka tamin’ny fandokoana volamena ny sary vongan’ny rain’ny fahaleovantena teo anoloan’ny lapan’ny tanàna, tamin’io andron’ny sabotsy io. Hetsika telo sosona kosa natao ny alatsinainy teo, anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fampeshoana sy ny fametrahana teo anatrehan’ny vahoaka amin’ny fomba nentim-pahazarana ireo Sojaben’ny faritra Androna telo mirahalahy, ary ny fanokafana ny fampiratiana an-tsary natao ho an’ny olon-drehetra izay mirakitra ny tantaram-pirenena. Fampiratiana niarahana niasa tamin’ilay mpitahiry vakoka malaza, Rakotobe Michel. Ny talata kosa dia naira-nirona Marosely, tanàna nilatsahan’ny tavonin’i Philibert Tsiranana ny rehetra, ary nisy ny fiarahana nikorana tamin’ny mponina ao an-toerana. Omaly alarobia 14 oktobra kosa ny ivon’ny fankalazana ka ankaotra ireo hetsika fanao mahazatra amin’ny fahatsiarovana tahaka izao dia nisy ihany koa ny loambary andasy niarahana tamin’ireo Sojabe sy ray aman-dreny aza-drazana, nitondra ny lohahevitra hoe “maninona no ahilikilika ny 14 oktobra?” Tapaka tamin’izany ihany koa fa manomboka amin’ny taona ho avy avadika ho “festival du 14 octobre” ity hetsika natao hatsiarovana ny daty naterahan’ny repoblika voalohany ity, ary entina hisandrahaka manerana ny Nosy.
F.Tsihiaonana