Publié le 19 octobre 2020
Hanomboka anio alatsinainy manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinana bakalorea. Efa vonona sy tomombana avokoa ny zavatra rehetra, dia ny kojakoja takian’izany. Amin’izao ora amakianao ity lahatsoratra ity izao dia heverina fa efa any amin’ny efi-trano fanadinana avokoa ny mpiatrika izany.
Ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga kosa, izay tarihin’ny ministeran’ny fampianarana ambony dia manao izay fomba rehetra hitandroana ny fahamarinana, na eo amin’izay mety ho fivoahan’ny lazaadina mialoha ka hiparitaka eny amin’ny mpiadina na eo amin’ny fanaraha-maso ny mpiandraikitra tsirairay, mba ho lavitry ny fakam-panahy, ka mety hahamaloka ny raharaha.
Na ireo mpitandro ny filaminana nahetsika ho amin’ny fampanajana ny fahamarinana sy fiarovana ny lazaadina tsy hivoaka koa aza dia efa matotra ny fifampifehezana momba izany.
Marina fa nisy ny tranga niseho tany Antalaha tamin’iny herinandro nifarana teo iny, izay nisian’ny lazaadina hosoka naparitaky ny sasany, saingy noho izay hakingana sy fahamailoan’ny tompon’andraikitra izay dia sarona mialoha ilay izy, ary efa nandraisana fepetra araka ny lalàna ny voarohirohy momba izany.
Dia mirary ny mpiadina rehetra hahita fahombiazana izahay amin’ity fanadinana bakalorea taona 2020 ity.
Rainisoa