La Gazette de la grande ile

Senatera HVM : Hanao kilalao maloto faramparany

Publié le 22 octobre 2020

Ny talata faha 20 oktobra 2020 teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ofisialy faharoa ny parlemantera Malagasy dia ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona izany. Mazava ho azy fa mahakasika ny fandaniana ny tolo-dalàna izay haroson’ny governemanta no isan’ireo hodinihina sy ho laniana amin’izany. Isan’ny lehibe amin’izany ny fandiniana ny tetibolam-panjakana izay hampiasana eto Madagasikara amin’ny taona 2021 iny. Manampy izany koa ny momba ireo tolo-dalàna isan-karazana izay mahakasika ny fampandrosoana. Mazava dia mazava ny eritreritry ny senatera ankehitriny fa hanao izay hampikatso ny fiainanam-pirenena amin’ny ankapobeny amin’ny alalan’ny fitsipahana izay tolo-dalàna handalo eny amin’ny antenimierandoholona ity. Mazava dia mazava tokoa ireny fihetsika nasehon’izy ireo tamin’ny lanonana fanokafana ny fivoriana iny satria dia loholona na senatera miisa 12 monja tamin’ireo 63 no tonga nanatrika izany. Midika avy hatrany izany hoan’ny mpandinika fa tsy hisy zavatra hataon’ireo senatera ireo mandritry ny fivoriana ity fa dia hamboly korontana sy hitarika fampikatsoana ny raharaham-pirenena izy ireo. Tsy ilaina mpandinika akory ireny fihetsika ireny fa tonga dia miharihary be izao ny tiana hahatongavana na dia olona tsy ampy fisainana aza. Ireo senatera 12 izay tonga tao amin’ny fivoriana dia ireo olona izay azo lazaina fa momba ny fanjakana ankehitriny na koa manaraka ny soatoavina repoblikanina. Ireo olona 12 ireo ihany izany no handany ny lalàna ao amin’ny antenimierandoholona amin’izao fivoriana izao. Mahakasika ny fandaniana lalàna ity dia ny lalàna fehizoro ihany no tsy maintsy mitaky isan’ny parlemantera tsy maintsy fenoana vao azo atao ny fandaniana. Ny sisa rehetra dia azo atao ny mandany lalàna na dia olona 3 monja aza ka ny antsasamanila no mpandresy amin’izany. Zava-doza eto amin’ny firenena tokoa raha izay no mitranga. Izany no antsoina hoe kilalao maloto izay fanalana baraka ny andrimpanjakana aloha ary ny fanjakana mitondra amin’izao fotoana izao, avy eo dia fampikatsoana ny raharaham-panjakana, ary fitarihana korontana. Raha ny fihetsin’ingahy Rivo Rakotovoa izay filohan’ny antenimierandoholona sady lehiben’ny HVM (Hery vaovao hoan’i Madagasikara) tao anatin’ny taona 2019 sy 2020 ity izay dia fanakorontanana tanteraka ny fanjakana misy ankehitriny no nataony. Fitoriana any amin’ny HCC (fahefana avo momba ny lalàmpanorenena mahakasika ny lalàna maro izay naroso tao aminy. Izay fihetsika tsy nataony mihitsy tamin’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina izany. Niarahana nahita nefa fa maro ny fandikana lalàna nataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina iny fony izy teo amin’ny fitondrana. Ny resaka mandeha eo anivon’ny senatera ireo dia ny mahakasika izany vola tsy voaray sy notapahina izany amin’ny tombotsoa tokony horaisin’izy ireo hono no anton’ny fikomiana izao. Resaka adala fotsiny nefa izany fa ny fanakorontanana sy ny fandravana fanjakana no tena ketrika tian’izy ireo hahatongavana, izay iarahany amin’ingahy Ravalomanana Marc sy ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara). Ho hitan-tsika eo ny tetika hoentin’ny fanjakana ankehitriny eo anatrehan’izany satria dia efa mazava fa hokorontanin’ny senatera ny fanaovan-dalàna amin’izao fivoriana farany hatrehin’izy ireo izao. Izany no fihetsikin’ny loholona na ny senatera na ireo antsoina hoe olokendry eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka dia samia mandinika tsara isika.

Jesy Rabelaolao

 

Lire aussi