La Gazette de la grande ile

Soavinandriana Itasy : Raim-pianakaviana 57 taona nanolana ny zanany vavy

Publié le 31 octobre 2020

Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona eto amintsika. Raim-pianakaviana iray 57 taona indray no nosamborin’ny pôlisy avy ao amin’ny DSRP Itasy rehefa tratra nanolona tovovavy 16 taona izay tsy iza fa ny zanany naterany ihany. Tao Ampatsiharana, kaominina Soavinandriana no nitrangan’izany zavatra mahatsiravina sy mamoafady izany, andro vitsy lasa izay. Raha ny fantatra dia ity raim-pianakaviana ity sy io zanany vavy io irery no tao an-trano satria nandeha nitsabo tena tany Antsirabe ny renin’ilay zazavavy, tamin’io fotoana io. Nitsiry ny filan-dratsin-dRangahy ka notereny hanao firaisana ara-nofo aminy ny zanany vavy tao an-trano. Nisy fianakaviana nahatsikaritra moa izany zavatra mamoafady izany ka nametraka fitaraisana tamin’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy izy ireo ary nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana. Nandray ny andraikiny ny pôlisy tany an-toerana ka avy hatrany dia nisambotra ity raim-pianakaviana namoa-doza ity. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa nanafina izany ilay zazavavy noho ny tahotra nahazo azy. Fantatra ihany koa fa efa mitondra vohoko vokatr’izay fanolanana izay ity farany, ary noteren’ny rainy nesorina ny zaza tao an-kibony. Marihana fa tranga lasa matetika miseho eto amintsika ity fanolanana zanaka ity. Andro vitsy lasa koa mantsy dia ankizivavy 15 taona no naolan’ny rainy tany Moramanga, ary tsy iza io olona fa rahalahina depiote any amin’iny faritra iny.

F.T.

Lire aussi