Publié le 31 octobre 2020
Mitombo hatrany ireo malala-tanana mitondra fanampiana ho an’ireo Malagasy hiajadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Raha ny omaly ohatra dia anjaran’ireo depiote indray no nanolotra ny voatsirambin’ny tanany ka vary milanja 8,5 taonina no naterin’izy ireo teny amin’ny BNGRC. Amin’ny lafiny iray, mahafinaritra ny fihetsik’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara satria mitsinjo ireo Malagasy nifidy azy, saingy amin’ny lafiny iray, rehefa mandinika ny fitakian’ireto olom-boafidy ireto dia hita fa misy ihany ny fiatsaram-belatsihy. Nanaitra ny ankamaroan’ny olom-pirenena mantsy ny fitakiana tombotsoa mihao-pampana ataon’ireo depiote, ao anatin’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao. Ankaotra ny fangatahana fiara tsy mataho-dalana izay nampiteraka resabe eto amin’ny firenena, dia mitaky ny tokony hanomezan’azy ireo fisotron-dronono ihany koa ireo depiote. Ho an’ny Malagasy maro dia midika ho fanaovana tsinontsinona ny Malagasy izany satria hiarahan’ny rehetra mahita fa mbola ao anaty krizy ara-toekarena ny firenena noho ny valan’aretina Covid-19, tsy te hahalala izany anefa ny solombavambahoaka fa mbola mitaky tombotsoa mihaom-pampana ihany. Mazava ny teny nataon’ny filohan’ny FISEMA fa tsy mitombina mihintsy io fangatahana fisotron-dronono ataon’ny depiote io. Araka ny fanazavana nomen’ingahy José Randrianasolo, misy masotsivana ny fahafahana misitraka ny fisotron-dronono fa tsy izay rehetra mangataka izany dia tokony hahazo avokoa. Tsy mahafeno ny fepetra amin’ny asa ny depiote satria singa iray amin’ny fiahiana sôsialy ny maha mpiasam-panjakana na koa amin’ny maha mpiasa eo anivon’ny sehatra tsy miankina ny fafahana misitraka ny fisotron-dronono, raha ny fanazavana nomen’ny filohan’ny FISEMA. Nambarany fa nofidiana hisolo tena ny vahoaka ny depiote ary voafetra ny fe-potoana andraisan’izy ireo izany andraikitra izany fa tsy tahaka ny mpiasa rehetra. Marihana fa hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena no nisy solombavambahoaka teto Madagasikara ary tsy nisy mihintsy no nitaky fisotron-dronono raha tsy tamin’izao taona 2020 izao. Adala avokoa ve izany ireo depiote teo aloha rehetra raha tsy nangataka izany, sa ireo depiote ankehitriny no tia tena loatra, tsy mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena. Raha firenena efa mandroso tahaka ireo firenena Eoropeana sy Aziatika i Madagasikara dia heverina fa tsy hanisy olana loatra amin’izany fitakiana ataon’ny solombavambahoaka izany ny Malagasy, saingy amin’izao fotoana izao dia mbola anisan’ireo firenena mahantra sy fahadiranovana indrindra eto an-tany i Madagasikara. Tokony ho tonga any amin’ny amparahatok’ireo solombavambahoaka tsara izany toe-javatra izany fa tsy maika ny hitaky tombotsoa foana na hiaraha-mahita izao aza ny zava-misy eto amin’ny firenena.
F.Tsihiavonana