La Gazette de la grande ile

Kere any Atsimo : Tsy ampy ny fanentanana « firaisankinam-pirenena » !

Publié le 04 novembre 2020

Ianjadiam-pahasahiranana lalina indray ny mpiray tanindrazana any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, dia ny kere na ny mosary izany. Noho ny hain-tany moa no anton’izany. Dia manentana ny mpiray tanindrazana sy ny tsara sitra-po ny fitondram-panjakana mba hiara-hanampy sy hifampitsinjo amin’ny malagasy any an-toerana. Zava-dehibe izany satria mahavita ny antsoina hoe “vonjy rano vaky”. Tany amin’ny taona 1994 tany no nahatsiarovana fa nisy fientanam-pirenena goavana teto, tamin’ny famonjena ny mpiray tanindrazana nianjadian’ny kere any atsimo. Raha ny fientanan’ny firaisankinam-pirenerna aloha no banjinina, toa izay tamin’ny 1994 izay dia vantanina ny resaka fa “namokatra” na “nahomby”. Tsy tokony hadinoina anefa fa vahaolana maharitra no tsy maintsy karohina fa tsy vonjy rano vaky. Ny vonjy rano vaky no vitan’ny fientanan’ny firaisankinam-pirenena. Inona àry ilay vahaolana maharitra? Raha ny marina dia tsy ny faritra atsimon’ny Nosy ihany, noho ny kere manjo aminy isaky ny telo na efa-taona no ikatsahana vahaolana maharitra fa ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy mandavan-taona mihitsy.

Ho an’ny faritra atsimo manokana aloha dia fantatra fa io hain-tany io no isan’ny fototry ny kere. Ny manam-pahaizana sy ny mponina any an-toerany koa anefa dia mahafantatra fa karazan-tany mahavokatra be ny tany any atsimon’ny Nosy, ary raha vao mahazo orana kely na rano dia efa miroborobo ny vokatra ara-pambolena atao any na katsaka na mangahazo na vomanga sy ny hafa. Ny dikan’izany, azo atao tsara ny mampahomby tetik’asam-pambolena any amin’ny faritra atsimo. Sady midadasika rahateo ny velaran-tany azo volena. Toraka izany koa ny fiompiana. Misy biby fiompy velona sy teti-piompiana mahomby azo ampiharina any. Mampalahelo moa fa raha isan’ny faritra be omby iny ilany atsimon’ny Nosy iny hatrizay dia efa madiva ho lany tamingana ny omby any noho ny asan-dahalo.

Manana harena maro koa ny faritra atsimon’ny Nosy. Azo ikatsahana fampivoarana ankapoben’ny firenena Malagasy mihitsy izany fa tsy ny faritra atsimo ihany. Ny fasomainty trandrahin’ny tetik’asa QMM ao Taolagnaro dia efa ahavitantsika manavotra ny ampahany betsaka amin’ny fiainam-pirenena ankapobeny, ohatra, satria mananika ny 1.000 Tapitrisa dolara (1miliara dolara) isan-taona amin’ny ankapobeny ny vokatra miakatra ao. Dia na ny antsasak’izany aza ve no mijanona ho an’ny vahoaka Malagasy dia tsy hahavitana na inona na inona? Na ny voly taretra ao Amboasary ihany koa aza dia efa tokony ho afaka mampivoatra ny ampahan’ny fiainan’ny mponina tany atsimo, saingy mitovy amin’ny fitantanana ankapobeny teto hatramin’izay ka hatramin’izao, dia ny vahiny no nanan-karena fa ny Malagasy, niha-nahantra hatrany.

Tsotra ny vahaolana. Ndeha hametraka politikam-pirenena momba ny fampivoarana tena mahomby isika, izay anjara-adidin’ny mpitondra fanjakana ny mampanjary an’izany. Matoa tsy manana an’izay ny mpitondra fanjakana dia tsy mihevitra raharaham-pampandrosoana eto mihitsy izy, na iza na zovy.

Efa famerimberinay eto fa ny harena ananan’ity Madagasikara ity dia efa ampy hahatongavany ohatran’ireo firenena misandratra amin’izao fotoana ao anatin’ny fotoana fohy (10 taona raha betsaka indrindra). Isan’ny manana anjara harena ho amin’izany ny faritra atsimo. Ka raha manana harena hoenti-mampahomby ny fampandrosoana ny firenena ny any atsimo, misy koa ny harena avy amin’ny faritra hafa entina eo anivon’izany dingam-pampandrosoana ny firenena izany, nahoana no ho voagejan’ny fahantrana eto ny vahoaka? Na ny mponina any atsimon’ny Nosy na ny amin’ny faritra hafa manerana ny nosy dia ho voavonjy sy hiarim-piainana ary hivoatra manaraka ny toetrandro ankehitriny, fa ny finiavana politika sy ny fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny vahiny no dingana fototra tsy azo hamaivanina.

Rainisoa

 

Lire aussi