La Gazette de la grande ile

Vakoka sy kolotsaina : Ny Hasina indrindra koa !

Publié le 04 novembre 2020

Resahina be ankehitriny ny tontolon’ny vakoka sy ny kolotsaina. Amin’ny zoma rahateo moa no hitokanana ny asa fanarenana ny Lapan’i Besakana sy ny lapan’i Manjakamiadana. Mbola misy ny asa goavana atrehina raha Anatirova amin’ny ankapobeny no asian-teny. Efa vita kosa ny fanarenana an’ireo fasan’ny mpanjaka, fitomiandalana, sy ny fiangonana.

Tsy ny fitanisana an’ireo fotodrafitrasa ireo no tian-kivoitra amin’ity lahatsoratra ity fa efa ahafahana mamaritra ny ezaka hoenti-manome lanja ny vakoka sy ny famelomana ny kolotsaina Malagasy ny fisian’izany, fa ny zary adino matetika dia ny fahatsapana fa tsy ny vakoka amin’ny maha-fotodrafitrasa azy na ny fitehirizana ny kolotsaina noraiketiny fotsiny no zava-dehibe fa ny “hasina” nifotoran’ireny vakoka sy kolotsaina ireny koa. Tsy ny fotodrafitrasa ihany koa fa ireo singa nampiavaka ny vakoka sy kolotsaina Malagasy, toy ny “satro-boninahitry ny mpanjaka” sy ny “seza fiandrianan’ny mpanjaka”, ohatra, na ny akanjony, ny fitaovana nampiasiany tamin’izany fotoana, ny fanaka…..

Marina fa miteraka ady hevitra be io tontolon’ny “hasina” io raha vao ny kolotsaina no asian-teny. Kolotsaina koa ange ny finoana kristiana ka tsy mahagaga raha ipoiran’ny ady hevitra isan-karazany e!

Ny tsy azo hamaivanina anefa dia ny fandalana ny lanja sy ny fomba rehetra takian’izany “hasina” izany, ka tsy maintsy mialoha lalana amin’ny atao rehetra ny “famerenan-kasina”, satria voahosihosy loatra izany ka miteraka zavatra maro eo amin’ny fiainan’ny firenena.

Anatirova eto andrenivohitra moa no notondroina manokana amin’ity resaka lahatsoratra ity satria ny eny no ifantohan’ny sain’ny maro raha ny hetsika hatao rahampitso alakamisy sy amin’ny zoma no jerena, saingy tsy Anatirova ihany no mirakitra ny vakoka Malagasy sy ny kolotsaina Malagasy, indrindra ny “hasina maha-malagasy” fa maro amin’ny faritra isan-karazany eto amin’ny Nosy. Mbola hotohizantsika amin’ny manaraka ny famakafakana momba izany.

Tsimba

 

Lire aussi