La Gazette de la grande ile

Mpino silamo Malagasy : Ahiana ny fifandonana raha tsy mandray andraikitra ny fanjakana

Publié le 27 janvier 2021

Manao antso avo amin’ny Filohampirenena Andry Nirina Rajoelina ny Mpino Silamo “Sunite” eto Madagasikara fa mandry andriran’antsy, ahiana hivadika fifamonoana ny fanakorontanana ataon’ny Filohan’ny FSM (Fikambanana Silamo Malagasy). Efa mandeha ny fandrahonana ho faty, ary efa nisy ny fikasihan-tànana nandratra ny silamo avy any Toliara izay mivavaka ao amin’ny Moské 67ha Foibe-n’ny Silamo Malagasy. Rehefa nanadihady izahay mpanao gazety eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile, dia fisolokiana sy fanararaotam-pahefana no fototry ny tena olana. Nijoro ara-panjakana tamin’ny 21 desambra 1974 ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy vokatry ny fangatahana nataon’ny Finoana « Sunite”, Fikambanana ara-pivavahana fehezin’ny didy hitsivolana 62-117 nomen’ny Minisiteran’ny Atitany tamin’izany fotoana izany. Saingy nohararaotin’ny mpanao politika, rehefa nitobaka ny fanampiana avy any ivelany sy avy eto an-toerana, indrindra nitombo isa hatrany koa ny mpino Sunite.

Fisolokiana sy fisandohana andraikitra

Taty aoriana nanjary tsy nisy zava-banona rehefa niseho ny fisandohana andraikitra tamin’ny taona 2018 satria nahazo taratasy « récépissé » hafa avy tamin’ny Ministeran’ny Atitany Andriamatoa Abdulhady fony Lehiben’ny Governemanta no sady Minisitry ny Atitany Andriamatoa Mahafaly Olivier, taratasy nomena antsokosoko. Fisandohana satria tsy nandalo kongresy, tsy nisy fifidianana dia nilaza fa Filohan’ny Fikambanana Silamo Malagasy Andriamatoa Abdulhady izay mpanolo-tsainan’ny Praiministra tamin’izany fotoana izany. Io no tena fototry ny olana. Nivadika ambony ambany ny zava-nisy. Nanangana sekoly ny Mpino “Sunite”, vola madiodion’ny mpino silamo kanefa nahavatra nanangon-tsonia nanohitra izany fanorenana izany i Abdulhady, ka aty aoriana dia izy indray no milaza fa tompony, nalainy ankeriny koa, tao amin’ny toerana fitehirizan’entana ireo fitaovana fampiasana amin’ny fotoanan’ny « Idy ». Nihafara tamin’ny fahatongavan’ny vaditany hanamarina izany, saingy antso an-telefaonina indray mihelatra no namerenany ny fisavàna tokony natao, izay tondroin’ny mpino silamo fa tena zava-doza amin’ny fanatanterahana didy na iraka avy amin’ny Fitsarana. Misy foiben-toeran’ny Silamo Malagasy any Mahajanga koa mbola nanaovany an-detrezana ny fitantanana azy, eny hatramin’ny Môské 67ha mbola notantaniny amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy, raha ny fanazavana azonay teny an-toerana teny amin’ny Môské 67ha Afovoany Andrefana foiben’ny Finoana “Sunite” eto Madagasikara.

Fanararaotam-pahefana

Tsy vitan’izay, fa nandeha ny fanararaotam-pahefana, nitohy hatrany ny fanakorontanana. Savorovoro sy fifamonoana tany amin’ny Moské toeram-pivavahan’ny “Sunite” noho ny fanafihana nataon’ny tarik’ingahy Abdulhady, nisy ny torana, tao ny tapa-tànana. Nanafatra andian’olona avy any Antsiranana sy Mahajanga mihitsy izy, hoy hatrany ny fitantaran’ireo Djamat (Ireo mpivavaka ao amin’ny Môské 67ha, afovoany andrefana). Ankoatr’izay dia nampidiriny am-ponja ny mpino silamo 45 ny 33 any Fenoarivo Atsinanana, ny iraika ambiny folo any Ambanja ary iray eto Antananarivo. Ary mbola misy taratasin’ady telo miandry eny amin’ny fitsarana eny Anosy. Satria mampiasa an’io taratasy hosoka io i Abdulhady. Nisesisesy koa ny fanafihana sy fanakorontanana tao amin’ny Môské 67ha tamin’ity volana ity, ny sabotsy 16 janoary teo, ny alatsinainy 18 janoary 2021 andro alina. Voavono tamin’izany ny mpino silamo avy any Toliara. Nilazan’ny “Sunite” fa tena efa tafahoatra ity ataon’i Abdulhady ity nahatonga azy ireo naneho hevitra amin’ny sorabaventy, izay milaza fa “tsy ilain’izy ireo miditra amin’izany faritry ny Môské izany ity misandoka ho Filohan’ny Fikambanana Silamo Malagasy ity”. Voalaza moa fa tsy mandeha irery izy amin’izany fa hatramin’ny vadiny aza nahavita nanatitra zava-maranitra tamin’ny harona nomena an’ireo olona voakamarana ireo handratràna sy hamonoana ny silamo tonga mivavaka tao amin’ny Môské. Tsy hanaiky intsony izahay hoy ireo “Sunite”. Soa ihany fa mbola misy ireo olobe miezaka manelanelana sy mifehy mba tsy ho tonga amin’izany fifamonoana izany. Hilazanay amin’ny loha-teny fa “ahiana handriaka ny rà raha tsy misy fandraisana fepetra haingana ataon’ny Fanjakana”.

Rainisoa

Lire aussi