Publié le 27 janvier 2021
Omaly no tonga eto Andrenivohitra ny fiarabe voalohany mitatitra ny Vary tsinjo vao tonga tao amin’ny seranam-tsambon’i Toamasina, ny faramparan’ny herinandro teo. Tsiahivina fa hamidy 500 Ar ny kapoakan’ny Vary tsinjo eny an-tsena, araka ny teny nataon’ny filoham-pirenena. Ho fitsinjovana ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary no tanjon’ny fitondram-panjakana amin’izany. 7 arivo T no tonga amin’izao andiany voalohany izao, afaka 20 andro kosa ny andiany faharoa izay milanja 8,5 T. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra amin’ny fitsinjarana ny Vary tsinjo, dia afaka andro vitsy no hiparitaka amin’ireo tsena kely eny anivon’ny fokontany rehetra eto Andrenivohitra io vary io. Tsara marihana anefa fa ho voafetra ny lanjan’ny vary azon’ny olom-pirenena tsirairay vidiana, ary tsy maintsy mitondra ny karinem-pokotany vao mahazo manjifa izany. Ho fisorohana ny fanararaotana mety hataon’ny sasany sy ny hahazoan’ny mponina rehetra misitraka ity Vary tsinjo ity no antony tsy maintsy nametrahana izany fandaminana izany, raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. Tsy mbola voafaritra kosa hatreto ny lanjan’ny vary azon’ny olona iray vidiana fa mbola eo am-pandinihana izany izy ireo. Hisy noho izany fanaraha-maso akaiky an’ireo tsena kely, ka miara-misalahy amin’izany ny ministeran’ny varotra sy ny indostria, ny Faritra Analamanga ary ireo olom-boafidy. Ho mafy ny sazy miandry ireo tratra manodikodina ity vary hamidy mora ity, hoy hatrany ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nilaza moa ny filoham-pirenena fa isam-bolana no ho tonga eto amintsika ny Vary tsinjo, ary tsy mifarana izany raha tsy efa miverina amin’ny laoniny ny vidin’ireo vary efa mahazatra ny Malagasy hatramin’izay.
F.Tsihiavonana