La Gazette de la grande ile

Fiaraha-miasa sa… ?

Publié le 27 janvier 2021

Misy lafin-javatra tsikaritry ny maso nitsipalotra ka anaovana azafady raha itondrana fanamarihana. Isan’ny toetra mivoitra maha-Repoblika ny Repoblika iray ny fanajana ny antsoina hoe “fanjakana laika” na ny “laicité de l’Etat”. Nisy fotoana izay niteraka ady hevitra be teto amintsika momba azy io satria tsy hain’ny olona sasany ny nanavaka ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fanjakana, andaniny, amin’ny fitsabahan’ny fiangonana amin’ny raharaham-panjakana na ny filalaovan’ny mpitondra fanjakana amin’ny raharaham-piangonana , ankilany.

Ny fanajana ny “fanjakana laika” aloha dia tsy midika hoe “tsy afaka miara-miasa” ny fanjakana sy ny fiangonana. Ohatra no ndeha hanampiana ny fanazavana. Tsy efan’ny fanjakana samirery ny fanabeazana ny zana-bahoaka na voafaritra aza fa adidin’ny fanjakana ny miantoka ny fahalavorarian’ny fampianarana sy fanabeazana. Dia indro fa mahazo alalana ary mijoro etsy sy eroa ny sekoly miahy tena na ireo ambara fa tsy miankina amin’ny fanjakana, ka isan’ireny ny fampianarana miankina amin’ny fiangonana. Manana sekoly ny fiangonana katolika. Manana koa ny fiangonana FJkm…

Toraka izany koa ny raharaham-pitsaboana. Manana hopitaly ny Fiangonana Loteriana. Manana koa ny Fiangonana Katolika…

Hatramin’ny asa fihariana koa dia tsy fady ho an’ny fiangonana ny misehatra amin’izany, na fambolena io na fiompiana, na fanaovana taozavatra sy asa-tanana. Toraka izany ny fikojakojana ny tontolo iainana….

Indraindray anefa dia mibirioka amin’izay fandraisana anjara ho fampivoarana ny fiaraha-monina amin’ny lafiny maro izay ny raharaha ka misy mpitondra fivavahana misary zoro amin’ny raharaham-panjakana. Tsy resahinay ny hoe “mpitondra fivavahana mirotsaka amin’ny raharaha politika” fa ny fiangonana mihitsy no misary zoro amin’ny raharaham-panjakana. Ohatra hoe “fantatry ny ray amandreny ara-panahy iray fa manan-danja ny rafi-pivavahana tarihiny ka entiny anaovany fanararaotana amin’ny mpitondra fanjakana, toy ny hoe “mba ampidiro ho mpiasampanjakana ny zanak’anabaviko”, sy ny mitovitovy amin’izany. Ny mifanohitra amin’izany koa dia misy satria fantatry ny mpitondra fanjakana ny lanjan’ny finoana eo amin’ny Malagasy ka araraotiny ny fahalemen’ny fiangonana sasany mba “hilalaovany politika”.

Dia jereo ohatra fa mety ho endrik’izany ny nilalaovan-dRavalomanana ny fiangonana, indrindra fa ny maro amin’ny FJkm fony izy filohampirenena.

Misy koa amin’izao fotoana no mahatsikaritra fa mirona kokoa any amin’ny fiangonana katolika Romana (Ekar) ny filoha Rajoelina, ary mijoro amin’ny maha-filohampanjakana izy amin’izany.

Tsy fahotana akory na heloka ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny fiangonana fa ny fifanararaotan’ny mpitondra fivavahana amin’ny maha-fiangonana ny rafitra entiny amin’ny mpitondra fanjakana na sanatriavin’ny vava ny filalaovan’ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny fahefam-panjakana ny fiangonana no tsy mety.

Tsy azo ekena koa raha misy fiangonana mieritreritra azy ho karazana fanjakana kely ao anatin’ny fanjakana. ARy tsy mety koa raha misy finoana na rafi-pivavahana hataon’ny mpitondra fanjakana ho “fiangonam-panjakana” na “fivavaham-panjakana”

Noho izany, tokony hahatsiaro tena ny rehetra mba hifanaja amin’ny sehatra misy azy. Mety tsy hita na tsy fantatry ny velona amin’izao fotoana ve fa niteraka ady namoizana ain’olona maro ange tany ivelany tany ny fifanandrinan’ny samihafa finoana na samy kristiana aza e! Tsy ho tonga eto amintsika izany, angamba, hoy ny maro. Eny, mety ho marina izany, saingy azo atao tsara ny miezaka tsy mankahatra re! Aoka hajaina toy ny anakandriamaso ny fiatraha-miasan’ny fiangonana sy ny fanjakana izay voalazan’ny antsoina hoe “fanjakana laika”.

Ralay

Lire aussi