Publié le 28 janvier 2021
Sesehena ny akon’ny lahatsoratra navoakanay teto omaly momba ireo mpino silamo Malagasy. Niezaka nanadihady fanindroany izahay mpanao gazety.
Nanamafy taminay nandritra ny fanadihadiana i Omary Mohamady, Ray aman-dReny (Fondy), to-teny anisan’ny mijoro amin’ny fampihavanana, sy Zama Mino, Mpandrindra ny komitin’ny olobe mitantana ny fandaminana sy ny fampihavanana, ary i Jean Claude Rakotonandrasana, solontenan’ny Mpitarika Fivavahan’ny “Sunite” eto Madagasikara, fa “indimy nantsoina ireo mpifanandrina mba handaminana ny olana sy hampihavanina kanefa tsy tonga mihitsy i Abdulhady sy Ali Saïd Nasser”. Nisy taratasy firaiketana an-tsoratra avokoa izany rehetra izany, sy izay dingana rehetra nataon’izy ireo mba hoentina handravonana ny olana, hoy ny akon’ny fanadihadiana. Mbola nomena dika mitovy koa ny andrim-panjakana misy eto amin’ny Firenena (Fiadidiana ny Repoblika, sy ny Primatiora, ary ireo fikambanana toy ny C.H.D.D.E.D sy ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy, mbamin’ireo sampana misahana ny filaminana sy ny fiarovana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ( Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamariam-pirenena na SEG, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ary ny Prefektioran’Antananarivo) sy ny Ministeran’ny Fitsarana.
Tsapan’ny maro mantsy fa efa tafahoatra ny tsy fanajana, sy ny tsy firaharahiana ary ny fanaovana tsy misy fotony an’ireo Ray aman-dReny amin’ny Môské izay tena manan-danja tokoa amin’ny soa toavina amin’ny Mpino Silamo, izay nahatonga azy ireo hanolotra vahaolana, enti-mandamina ity fifamonoan’ny samy Silamo ity. Aato ny fahazoan-dàlana tamin’ny taona 2015 ary foanana kosa ilay hosoka nataon’i Abdulhady tamin’ny 2018. Hatsangana ny “Comité Ad’hoc”, hitantana vonjimaika sy handrindra ary handamina sy hikarakara ny fifidianana. Tsoahana ireo fitoriana nentina nanararaotana fahefana tamin’ny taratasy hosoka nanagadrana an’ireo rahalahy “Sunite” ary sokafana ny Môské nakatona any Ambanja satria mafy, tena mafy ho an’ny mpino Silamo izany tsy mivavaka andro zoma izany.
Ireo no hany azo antoka hampilamina ity raharaha tena mafana eo anivon’ny samy mpino silamo ity, hoy hatrany ireo olo-maventy ao amin’ny “Sunite”. Marihana fa tsy mivavaka intsony ao amin’ny “Sunite” fa efa nivadika “Shiite” i Abdulhady, ary tondroin’ireo mpitantana ny “Sunite” fa olona matanjaka amin’izany no manohana ara-bola azy ka mahatonga izao hetraketraka vokatry ny fialonana izao satria miroborobo hatrany ny isan’ny mpino “Sunite” eto Madagasikara. Raha hojerem-potsiny toy ny zava-misy amin’izao, dia hanahirana ny hamaha ny olana satria milaza i Abdulhady fa “eo am-pelatànany ny Fitondram-panjakana, eny hatramin’ny Fitsaràna sy ny Mpitandro filaminana eto Madagasikara”. Izany no nitenenanay teto omaly hoe “mila mandray andraikitra haingana ny fanjakana foibe tarihin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina fa iza no tsy mahalala fa raharaha ratsy no miseho rehefa tonga amin’ny hatezerana farantampony tahaka izao ny mpino Silamo ? Adinontsika ve ny niseho tany Mahajanga tamin’ny taona 1976 ? Aina roa arivo no nafoy ankoatran’ny fametavetana Trano fivavahana toy ny Môské raha tsy hiteny afatsy ny nihantra tamin’ireo miozilimana fotsiny isika.
Mibaribary amin’izany endri-javatra rehetra izany fa i Abdulhady sy Ali Saïd Nasser ary karana mpanefoefo no fositra amin’ity raharaha iray ity ary mila mailo ny tompon’andraiki-panjakana satria mahay mampiasa “tampi-maso” izay “mahajamba ny olona” izy ireo, raha ambara matetika fa “ny alika jamban’ny taolana”.
Rainisoa