Publié le 28 janvier 2021
Tsy hay tenenina intsony ny filazana azo avy any amin’ny faritany rehetra eto Madagasikara mahakasika ny fidangan’ny vidin-jiro izay ataon’ny Jirama any amin’ny distrika sy ny renivohitrin’ny faritra ary ny renivohim-paritany manerana an’i Madagasikara.
Tsy niraharaha izay filazana nataon’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina ny tale jeneraly ny Jirama Vonjy Andriamanga ity tany Toamasina tamin’ny alahady faha 24 janoary 2021 lasa teo fa ny lohany ihany no nataony.
Ny filankevitrin’ny minisitra ny alarobia 19 janoary 2021 dia nilaza toa izao : “…tokony tsy mbola hihatra ny fampiakarana ny saran’ny jiro sy ny rano mba ho entina hitsinjo ny fiainam-bahoaka sy ny fiainana isan-tokan-trano… Ao anatin’ny 48 ora no ilaina ny hahavitan’izany mba ahafahana hitsinjo ny mety ho olana ara-tsosialy ateraky ny fiakaran’ny vidin-jiro sy ny rano …Omena 48 ora ny ny JIRAMA handamina ireo faktiora izay tsy takatrin’ny rehetra intsony ny fahefana ireo sarany, ilaina ny fakana ny hevitry ny governemanta amin’ny fampiharana ny fampiakarana ny vidin-jiro vaovao izay nampiharana vao haingana…Tsy raharahan’ingahy Vonjy Andriamanga izany fa izao mbola ampandoaviny vidin-jiro midangana izao ny vahoaka.
Tsy miraharaha izany nefa ingahy Tale Jeneralin’ny JIRAMA Vonjy Andriamanga fa vao maika nampandoaviny ny vidin’ny jiro sy rano izany ny mpanjifa any amin’ny faritany manontolo. Miady amin’ny mpanjifa ny sefo any amin’ny jirama ireny ankehitriny.
Tsy miraharaha ny filoham-pirenena ary ny governemanta intsony ingahy Vonjy Andriamanga sy ny mpiasa mikaikaika aminy ao amin’ny JIRAMA fa nasainy nandoa ny faktiora izay midangana hatrany ny mpanjifa.
Ny lehiben’ny sampan-draharaha ny JIRAMA any amin’ny faritra manontolo any dia tsy te-hahalala izany fanambaran’ny governemanta sy ny filoham-pirenena izany fa rehefa tsy mandoa ny faktiora amin’ny vidiny vaovao io dia tapahin’izy ireo avy hatrany ny jiro. Milaza izy ireo fa tsy misy ny filazana mahakasika izany avy amin’ny foiben’ny JIRAMA.
Aoka hazava ny raharaha fa tezitra ny vahoaka ary manomboka mampiakam-peo. Ny tany Antsiranana dia iny niarahana nahita iny fa nirotaka ny mpianatry ny oniversite ny alatsinainy teo. Na ny eto Antananarivo koa aza dia efa manomakomana fidinana an-dalambe ny mpanohitra amin’ny herinandro miditra io hitarika vahoaka ka ny resaka jirama ity no isan’ny tetika hitondrany ny tsy fankasitrahana amin’izany.
Mahagaga ihany ny fanambaran’ingahy Praiminisitra Ntsay Christian nandritrin’ny fivoriana izay nataony ny talata faha 26 janoary 2021 teny amin’ny lapa teny Mahazoarivo niaraka tamin’ny OMC/Nat (organe mixte de conception nationale) izay mampitandrina ny olona mitarika fanakorontanana fa tsy handefitra izy ireo. Koa nahoana no tsy andraisana fanapahan-kevitra ny tale jeneran’ny Jirama ingahy Vonjy Andriamanga ity fa ny zavatra ataony anie ka mihantsy ny vahoaka hioko amin’ny fanjakana izao. Tsy vitan’izany fa mandà ny fampiharana ny fanapahankevitrin’ny minisitra sy ny filoham-pirenena araka ny voalaza eo ambony ireo.
Ny tena olana amin’ity fanjakana ity dia tsy mifanaraka fa miady an-trano ka mifamingana sy mifampiandry amin’ny kendritohana toa izao zavatra mitranga ankehitriny izao.
Niarahana mahita fa nitarika korontana politika eto Madagasikara ny raharaha volamena 73 KG lasa any afrika atsimo iny. Na inona na inona fomba filazana dia tsy nahavita ny asany ny minisitry ny harena ankibon’ny tany Ravokatra Fidinarivo sy ny minisitrin’ny fitaterana Joel Randriamandranto.
Tsy maintsy any amin’ny praiminisitra sy ny filohan’ny repoblika ihany no miatraika izao raharaha izao ka dia tsara ihany izy ireo mandray andraikitra dieny mbola tsy tara.
Jesy Rabelaolao