La Gazette de la grande ile

Hôpitaly Girard & Robic : Hopotehina ?

Publié le 28 janvier 2021

Tobim-pitsaboana goavana sady reharehan’i Madagasikara ny Hôpitaly Girard & Robic eny Soavinandriana hatramin’izay. Tsy mitsaha-mitotongana anefa izy io noho ny tsy fahaiza-mitantana. Nihazakazaka izany fikororosoana izany tato anatin’ny dimy taona farany izay nitantanan’ny tale jeneraly amperin’asa ankehitriny. Ny akon’ny fanadihadiana nataonay teny an-toerana dia mampibaribary fa na ny mpiasa ao (mpiasa sivily) aza dia efa ketraka sy very fanahy mbola velona toy ny valala voatango. “Miantefa aminay mpiasa ny ako ratsin’ny tsy fahaiza-mitantana ity toeram-pitsaboana goavana ity”, hoy ireo mpiasa nanaovanay fanadihadiana. Ny mpiasa sasany aza dia efa mitsangam-bolo sy mihorohoro andro aman’alina satria sahin’ny lehibebe ao, izay saika miaramila ny ankamaroany, ny miteny hoe “raha sanatria mikatona ange ity hopitaly ity ka izahay hiverina any amin’ny tobin-tafika misy anay fa ianareo mpiasa sivily ireo no hahita ny tsy fahitanareo e!”

Ho an’ireo mpiasa sivily moa, ohatra, dia hagagana ny an-dry zareo fa isaky ny faran’ny taona dia mandray mari-pankasitrahana na “prime” fa ny farany teo dia any ambadiky ny bonga roambifolo. Fampanantenana hatrany no ataon’ny tale jeneraly sy ny lehibebe ao hoe “hisy io fa mahareta”. Toa fampadriana adrsisa,

Isam-bolana aza, misy ny fihaonamben’ny mpiasa (rassemblement) ka nifanatrehana teo tamin’ity voloana janoary ity io “prime” io saingy tsy nasian’ny lehibe resaka ka nihoraka ny mpiasa vao mody nambara fa “hisy”. Miharo fampihorohoroana avy amin’ny tale jeneraly tany ambadika tany io akon’ny horakoraka avy amin’ny mpiasa io.

Hatramin’ny sakafo atoandro ho an’ny mpiasa no tsy misy intsony ao nefa ny mpiasa dia misy ny monina lavitra. Terena ho tsy maintsy mahavita misakafo ao anatin’ny antsasak’adiny izahay mpiasa, hoy ny ako. Tena endrika fanandevoazana ange izany e!

Eo amin’ny fitsaboan-tenanay mpiasa koa, hoy ihany izy ireo,tsy mba manana zo hisitraka fanafody tena mahasitrana avy hatrany fa “fanafody zenerika” no noterena homena anay raha sendra tsy fahasalamaan izahay. Etsy ankilany, tsy mba misitraka maimaimpoana izany saram-pitsaboana sy fanafody izany ao amin’io tobim-pitsaboana io izahay mpiasa, hoy ihany izy ireo, fa tsy maintsy mandoa vola aloha dia onerana avy eo, nefa ny fanonerana, na maharitra elabe na tsy misy mihitsy. Raha voatery miditra hopitaly hotsaboina ny mpiasa dia voabaikon’ny lehibe ny misahana ny fivarotam-panafody ao tsy hanome fanafody lafo ny mpiasa, ary voafetra koa ny isany (amin’ny plaquette fa tsy amin’ny boaty), ary matetika dia fanafody hafa no omen’ny ao amin’ny farmasia na inona na inona voasoratry ny dokotera nitsabo.

Momba ny tontolon’ny toeram-piasana dia ny laboratoara sy ny fitarafana (scanner) ao amin’ity hôpitaly lehibe ity izao dia simba, ary ny mpiasa dia tsy mba misitraka zo ho afaka atao “analyse” ao ao amin’ny laboratoara.

Ny zon’ny mpiasa koa dia tsy voahaja satria misy amin’ireo mpiasa ao no efa naharitra 15 taona na mahery ny sasany, nefa tsy mba voaray ho mpiasampanjakana (integration) fa mijanona ho “EFA” na “ELD”. Toraka izany koa ireo mpiasa tonga amin’ny fotoana isotroany ronono (retraite), izay tsy vitsy ireo tsy misitraka an’izany.

Ho an’ireo mpiasa mba mitaky ny zony horaisina mpiasampanjakana raikitra dia zary nampirisihan’ny lehibe izy ireny hitady lalana, saingy rehefa nahita lalana ka andalam-pisitrahana ny zony dia bedin’ny lehibe indray. Mahagaga !

Tsikaritry ny mpiasa fa misy tsikombakomba hafahafa hatramin’ny fanendrena tompon’andraikitra ambony ao satria moa ny tale jeneraly sy ny lefiny ary ny tale ara-teknika sy ny tale misahana ny fitantanaa ara-bola (Daf) ihany no tendren’ny filankevitry ny minisitra amin’ny alalan’ny didim-panjakana, dia manararaotra manangana rafitra hafa mba hametrahany ny havany na ny namany ry zalahy. Isan’izany ny “Dafa” (lefitry ny DAF) izay ny tale jeneraly no manendry azy, nefa dia zary io “DAFA” io no misahana ny tontolon’ny mpiasa, izay tena feno fangejana. Na haka fialan-tsasatra (congé) izay zon’ny mpiasa aza dia efa ijaliana, hoy ny mpiasa.

Ny fitaovana enti-miasa koa dia tsy zarizary. Simba, ohatra, ny milina fanasan-damba ao dia ny mpiasa no terena hanasa ny lamba amin’ny tanana, izay iaraha-mahalala ny mombamomba ireny lamban’ny marary eny amin’ny hôpitaly ireny. Ireo mpiasa koa amin’izany, na ny farafahakelin’ny kojakoja fiarovan-tena amin’ny aretina aza, dia tsy mba misy fa mianto-tena. Hatramin’ny aron’akanjo (blouse) tokony ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana no tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony. Ireo mpiasan’ny hôpitaly tokony hisitraka tambin-karama (indemnité de risque) koa dia tsy mba mahita an’izany.

Raha fehezina dia tena ahiana ho potika fa tena tsy mitsahatra mikororosy fahana ny Hôpitaly Girard & Robic amin’izao fotoana, ka miantso ny fitondram-panjakana ireo mpiasa hijery ny fomba hiarovana sy hanarenana haingana izany hôpitaly izany fa tsy ho variana. Ny fandalovan’ny aretina coronavirus no anilihan’ny tompon’andraikitra ny rihitra nefa ry zareo no tsy mahavita azy.

Ralay

Lire aussi