Publié le 16 mars 2021
Somary nangingina tato ho ato ny tohin’ny fitakiantsika malagasty an’ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara. Safotry ny resaka ifandroritan’ny Tim sy ny mpiara-dia amin’ny fitondrana ny raharaha politika. Tsy mahagaga izany satria raha ny rariny sy ny hitsiny dia isan’ny teboka tokony havoitran’ny Tim isan’andro io fitakiana ny Nosy Malagasy io saingy nahazo tombontsoa avy amin’i Lafrantsa amin’io rahatraha io ry Ravalomanana dia minia tsy miresaka azy io.
Tsiahivina fa tsy zakan’i Frantsa ny fitakian-dRajoelina an’ireo Nosy ireo teo anoloan’ny filoha Frantsay Macron tany Frantsa tamin’ny volana may 2019 ka nitady izay olona manohitra an-dRajoelina sy afaka manozongozona ny fitondrany na manongana azy mihitsy i Frantsa. Dia niantso an-dRavalomanana i Parisy ka amin’ny maha-“jamban’ny vola an-dRavalomanana”, dia nekeny ny tetika maloton’i Parisy hoe “tohananay Frantsay ny hetsi-panonganam-panjakana ataonareo any Madagasikara raha manaiky ianareo fa hiarahantsika mitantana ireo Nosy Malagasy manodidina anareo ireo dia-samy mahazo ny tombontsoantsika isika”. 2.000 tapitrisa ariary (2 miliara ariary) no ampaham-bola iray efa nalefan’io Frantsa ho an’ny Tim sy ny firongony hampahombiazana ny fanonganam-panjakana eto Madagasikara amin’izao hetsiky ny “Miara-Manonja” izao. Tsy vaovao amin’ izany volabe izany i Rina Andriamandavy 7. Matoa izahay miteny an’izany dia azonay antoka fa mahafantatra an’io vola io izy. Rajaonarimampianina no tsipi-panohizana an’i Parisy sy ry Ravalomanana.
Ka amin’izao fotoana, na minia mangina amin’io teboka io aza ny Tim dia fantatra fa ahitam-pahombiazana ny ezaka ataon’ny fitondrana satria nandritry ny fivoriana ampitain-davitra (viséo conference) teo anivon’ny vondron-tany Sadc ny zoma teo dia isan’ny mpandray anjara tamin’izany ny mpitondra fanjakana malagasty. Tamin’izany no nanehoan’ny Vondron-tany Sadc ny fanohanany ny tolona ataon’ny Malagasy amin’ny fitakiana ny fiverenan’ireo Nosy Malagasy manodidina ireo.
Eo anatrehan’izany, mbola takian’ny vanim-potoana ny hiezahan’ny mpitondra fanjakana Malagasy mandresy lahatra ny vondron-tany amam-pikambanana iraisampirenena maro hiombon-kevitra sy hanohana antsika Malagasy amin’izany, ary ny vahoaka Malagasy dia tokony hametraka rafitra manokana ho amin’io fitakiana io. Anjara andraikitry ny fitondram-panjakana koa angamba ny mitarika ny fananganana an’izay rafitra manokana hitakiana an’ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara ireo izay e!
Rainisoa