Publié le 30 septembre 2021
Ny 14 novambra 2019 no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina (ANAC) izay natsangana ao Ambohitsirohitra. Tsiahivina fa iray amin’ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena io akademiam-pirenena io fa ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina kosa no miandraikitra feno ny tetikasa. Raha hita ho niazakazaka ny fizotran’ny asa tany am-piandohana, dia mahagaga ihany ny zava-misy satria efa ho volana maromaro izao nijanona tanteraka ny asa noho ny antony tsy fantatra.
Tsara tsipihana aloha fa tamin’ny lanonana ho fametrahana ny vato fototry ny fananganana ity akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina ity, dia nilaza ramatoa minisitra Lalatiana Rakotondrazafy (Mama sôsy) fa herintaona latsaka kely eo ny faharetan’ny asa fanamboarana azy. Roa taona latsaka iray volana aty aoriana, tsy vitan’ny hoe tsy mbola vita ny asa fa najanona tanteraka mihintsy. Mandraka ity ny androany anefa, tsy mbola nampahafantatra ny tena antony nampijanonana ny asa ny ministera tompon’andraikitra.
Matetika rehefa mitsahatra ny asa fanamboarana tetikasa lehibe tahaka izao dia tsy maintsy resa-bola foana no antony. Mety ho izay ihany koa ve no mahatonga ny fijanonan’ny asa sa ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mihintsy no tsy mahavita ny andraikitra nomena azy? Raha ny lôjika anefa dia tsy tokony hisy olana ara-bola mihintsy ny fananganana ity akademiam-pirenena etsy Ambohitsirohitra ity efa voafaritra tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny tetibola ho amin’izany. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra moa dia fantatra fa lanin’ny minisitra Mama sôsy ny vola matoa nijanona tanteraka ny asa.
La Gazette