Publié le 27 octobre 2021
Tato anatin’ny andro vitsivitsy izao, tsy maraina, tsy atoandro, tsy hariva, tsy alaina, fa dia nampijaly ny mponina toy ny teto Antananarivo ny fahatapatapahan’ny herin’aratry ny Jirama. Tsy manala ny andraikitry ny Jirama mihitsy ny filazana hoe “misy fanamboarana any Andekaleka”. Ny fiantohana ny asa tolotra ho an’ny vahoaka na “service public” dia tsy tokony hizakan’ny vahoaka na fahasahiranana toa izao. Tsy mangataka ny vahoaka mpanjifa fa mandoa vola ka zony ny misitraka herin’aratra araka izay ilainy fa tsy hofeperana izy.
Lasa ifandrabirabiana mantsy izao ny hoe “noesorina ny tale jeneraly teo aloha, Vonjy Andriamanga, fa ny olana momba ny fisitrahan’ny mpanjifa ny herin’aratry ny Jirama, toa vao mainka mampijaly!” Lasa ifanesoesoana ilay izy hoe “lasa niaraka amin’Andriamanga angaha ny vahaolana tao amin’ny Jirama?”.
Toa mampanjombona ny tranga etsy sy eroa izao fahatapatapahan’ny herin’aratra izao. Ny minisitry ny angovo, Andry Ramaroson, mantsy dia mitety ny faritra maro manerana ny Nosy, ary tonga hatrany anatin’ny fokontany faran’ny lavitra rehetra any, mitondra ny fitaovana sy kojakoja hoenti-miantoka ny fanazavana ny tanàna sy ny tokantranon’ny Malagasy any. Efa nisy koa ny fanombohana tamim-pomba ofisialy ny fampidirana herin’aratra amin’ny sandany mora ho fanampiana ny tokantrano Malagasy.
Mifangarika satria lasa tsy misy lanjany ny ezaka atao raha toa ka misy sehatra efa nisitraka herin’aratra hatrizay no zary mahatsiaro ho tra-pahasahiranana noho izao delestazy izao.
Ara-teknika koa, raha tena matotra sy marina izao fanamboarana any Andekaleka izao, dia tokony fantatra mialoha ny ho faharetan’ny asa. Toa mahalasa eritreritra ilay izy satria tsy voka-dratsy nateraky ny loza voajanahary ilay hamboarina any Andekaleka.
Enga anie tsy hanararaotra indray ny mpivarotra tanindrazana ka hilaza hoe “izao no antony maha-rariny ny tokony hivarotana ny Jirama ho an’ny vahiny”. Rehefa tsy vitanareo tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama na ny fanjakana ny fitantanana azy io dia mahatsiarova tena ka mialà fa aza ny vahoaka no atao takalon’aina lava eto.
Rainisoa