La Gazette de la grande ile

Tanambao Besakay : Manao sesilany ny fakana an-keriny

Publié le 14 janvier 2022

Miaina ao anatin’ny tahotra sy horohoro, ankehitriny, ny mponina ao amin’ny kaominina Tanambao Besakay, distrikan’Ambatondrazaka. Tao anatin’ny roa volana teo mantsy izay dia manao sesilany ny trangana fakana an-keriny any an-toerana, ary tsy mifidy asiana ireo jiolahy fa na ny fianakaviana tsy manambola firy aza dia lasibatra amin’izany avokoa.

Araka ny loharanom-baovao mari-pototra azo avy any an-toerana, dia fakana an-keriny miisa 8 no nitranga tao Tanambao Besakay sy ny kaominin’i Solaizana izay mifanolo-bodirindrina aminy. Tao Tanambao manokana dia trangana fakana an-keriny telo no niseho, hatramin’ny fiandohan’ny taona 2022. Tsotra ny fomba fanaovan’ireo jiolahy mpaka an-keriny. Miditra ao anatin’ny tranon’ireo olona lasibatra ireo olon-dratsy miaraka amin’ny basy, ary maka olona roa na telo izy ireo entina atao takalon’aina.

Vola 60 ka hatramin’ny 80 tapitrisa ariary moa no takian’ireo jiolahy ka rehefa tsy manana izany vola izany ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny dia teren’izy ireo hivarotra tany sy tanimbary. Etsy ankilany, mandrahona ny hamono ireo takalon’aina ireo jiolahy raha toa ka mampilaza ny mpitandro filaminana ny fianakaviana. Amin’izao fotoana izao, fantatra fa mbola misy olona vitsivitsy no voatazon’ireo mpaka an-keriny ao Tanambao Besakay satria tsy mbola nahaloa ny vola ny fianakavian’ireo takalon’aina. Manoloana izany toe-draharaha misy any an-toerana izany dia miantso ny manam-pahefana isan-tsokajiny mba hijery akaiky izao zava-misy any amin’ny kaominina misy azy ireo izao ny mponina ao Tanambao Besakay.

  1. Tsihiavonana

Lire aussi