Publié le 09 juin 2022
Ny hampisavorovoro ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny no tanjon-dRavalomanana amin’izao fotoana mba hanamora ny hahatrarany ny tanjony. Inona io tanjony io ? Mbola misy miaramila miara-dia aminy hatrany anatin’ny toby isanisany any. Tsy mahagaga izany satria maro amin’ireo manamboninahitra ambony mibaiko ny tobin-tafika no saika mpiara-dia aminy, hoy ny akon’ny fanadihadiana. Misy aza milaza fa hatrany amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no misy olona itokisany. Ny tanjon-dRavalomanana izany izao dia ny hisavorovoroan’ny fiaraha-monina mba handraisan’ny mpitandro ny filaminana fepetra. Raha miteraka fifandonana amin’izany dia ho mora amin’ireo miaramilany any anivon’ny tafika ny hijoro hampitodika ny vavabasiny any amin’ny filohampirenena.
Anio alakamisy àry dia hokendren-dRavalomanana io savorovoro io, satria re fa voaasan’ny Ceni handray anjara amin’ny atrikasa fifanakalozan-kevitra (atelier de concertation) momba ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny antoko politika isan-tokony eto, ary isan’izany ny TIM. Amin’ny maha-filohampirenena teo aloha azy koa dia isan’ny nahazo fanasana manokana ho amin’izany Ingahy Ravalomanana.
Ny fanapahan-kevitra noraisin-dry Ravalomanana afak’omaly dia hoe « tsy handray anjara amin’io atrikasa io fa taratasy no asaina aterin’ny iraka ». Omaly indray dia hoe « ho avy hanao rodobe eny Alarobia, toerana hanaovana ny atrikasa ry zareo, ary hanao fihantsiana amin’ny fihetsiketsehana isan-karazany ». Mety hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana izany ka tsy maintsy handray fepetra mifanandrify amin’izany ny mpitandro ny filaminana. Dia hitranga eo ny hoe « tra-pahavoazana (victime) fa tsy navela haneho hevitra ny mpanohitra ».
Efa misy mpikarama an’adin-dry zareo hanao fihantsiana ny mpitandro ny filaminana amin’io ka ny fandraisan’ny mpitandro ny filaminana fepetra dia hadikan-dry Ravalomanana ho fampiharana ny jadona.
Holazaina mivantana amin’izany fa baikon-dRajoelina ny hamoritra ny mpanohitra, ary ho voalaza hatramin’ny hoe « manao ny fomban-dRatsiraka i Andry Rajoelina, ka rehefa hibaiko ny tafika handray fepetra izy dia mitsoaka mivoaka any ampitan’ny ranomasina ». Raha ny re tokoa mantsy dia tokony ho nanainga alina lasa any ampitan’ny ranomasina ny filohampirenena Rajoelina.
Tsimba