Publié le 18 novembre 2022
Amin’ny taona 2023 no hanomboka ny fifidianana eto Madagasikara. Ny fifidianana ny ho filoham-pirenena no manomboka izany. Manaraka izany dia ny an’ireo depiote sy ny ben’ny tanàna ary ireo mpanolotsaina any amin’ny kaominina.
Ao anatin’ny firenena mahantra toa I Madagasikara izao dia natao hitadiavam-bola ny fanaovana politika. Olona hikarama toa ireo mpiasam-panjakana no milaza azy ho mpanao politika sy miaro ny vahoaka ao aminy. Matetika izy ireny dia olona tsy manana asa, sahirana aram-pivelomana, mpanambaka olona ary miseho azy ho mpitarika sy mpahalala zavatra amin’ny toerana misy azy. Tsy miraharaha izay fitiavan-tanindrazana na ny tombotsoa sy fananana iombonana, fa mikendry ny hahazo fahefana fotsiny ihany mba hampiasany amin’ny fitadiavam-bola malaky mampanan-karena ka ny fananam-pirenena ny an’ny vahoaka no tanjona hahatongavany amin’izany.
Ny mpanao politika ankehitriny dia mazana olona fetsifetsy koa sy fatsora ary mpivadibadika. Mahay mandresy lahatra ny vahoaka miara-monina aminy. Malama vava sy mpanao kobaka am-bava ikoizana.
Resin’ireo sokajin’olona ireo ny manampahaizana Malagasy. Tsy mikaonty intsony izany fianarana izany. Resin’izy ireo ny fahendrena sy ny fanahy izay fototrin’ny fahamarinana sy ny fahendrena. Izany nefa no eritreritrin’ny vahoaka saingy resin’ny kobaka am-bava izany.
Olona adaladala toa ny mpanao politika ankehitriny no lany amin’ny fifidianana ireny. Itondrany mpanakanto malaza ho entina mamory olona sy hampisehoana hery. Izarana akanjo, elo, kasikety sy lambahoany mba hisintonana azy ireny. Ampanatenaina harena, fiadanana toa ny filazana nataon’ingahy Ravalomanana Marc hoe” homena fiara 4L isakin’ny tokan-trano ny vahoka Malagasy”, kay ny fiara nampanantenana ity efa tapitra ny famokarana azy tany amin’ny ozinina mpanaboatra azy. Toa izany koa ny filazana nataon’ny fanjakana amin’izao fotoana izao hoe “trano tanamasoandro, fahasalamana hoan’ny daholobe, fampianarana tsy an-doavam-bola eny amin’ny EPP, ady amin’ny kolikoly tsy misy indrafo, fanamboaran-dalana hatrany amin’ny kaominina …Tsy nisy vitan’ny fanjakana amin’izao izany. Mbola mitohy izany fampanatenana poakaty izany hatramin’izao ary dia mino ny Malagasy difotrin’ny fahantrana sy ny tsy fihinanan-kanina.
Ny tena mahagaga dia olona mivavaka isakin’ny alahady any ampiangonana izy ireny. Manao akanjo fotsy lava marikin’ny fahadiovana sy ny fahamendrehana eo anatrehan’Andriamanitra. Misy mihitsy aza no mpiandry sy miondana baiboly andro aman’alina. Nefa rehefa jerena dia tena devoly mpamitaka olona. Tsy mahagaga raha mandohalika ny firenena ankehitriny. Mbola izany indray no hitranga amin’ny fifidianana ho avy izao amin’ny taona 2023. Noho izany aza milatsaka hofidina izay tsy mahay madainga sy manao kobaka am-bava.
Jesy Rabelaolao