La Gazette de la grande ile

Manarintsoa Atsinanana : Mampiahiahy ny nahamay ireo trano hazo!

Publié le 15 juin 2020

Nitrangana haintrano mahatsiravina indray teny Manarintsoa Atsinanana ny alakamisy lasa teo.

Trano hazo maherin’ny 40 miampy trano biriky iray no hotohoton’ny afo nandritra izany ary olona maherin’ny 200 no traboina vokatr’izany.

May tsy nisy noraisina intsony ny fananana rehetra nohariana nandritra ny taona maro ary zara akanjo teny an-koditra sisa no niangana.

Nisy ihany no mbola nahatafavoaka ny entany tety ivelany saingy ny fahorian’ny hafa ifalian’ny sasany ka nisy no nanararaotra nangalatra ireo entana tafavoaka.

Minitra vitsy taorian’ny firehetana no tonga teny an-toerana ny mpamojy voina avy etsy Tsaralàlana ary ora vitsy taty aoriana dia efa voafehy ny afo, nisy ihany koa ny fifanomezan-tanana teo amin’ireo mponina manodidina mba tsy hiitaran’ny firehetana amin’ny trano hafa.

Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana, ao ny milaza fa vokatry ny filalaovan’ny ankizikely nilalao afo no nahatonga izany, ny sasany koa milaza fa fanahy iniana nodorana ny tranon’izy ireo.

Raha ity farany no nanaovana fanadihadiana dia misy mikendry haka an-keriny ny tany indray ve ireo mahitahita eto amin’ny tanàna ka fanahiniana dorana ny tranon’olona.

Matetika mantsy eny anivon’ny tanàna ambany ireny dia lasa atao fitaovana hangalana an-kolaka ny tanin’olona izay misy mitsiriritra ny fandorona trano hazo maromaro tahaka izao.

Manaitra ny tompon’andraikatra eo anivon’ny fitondrana mahefa mba hanao fanadihadiana mikasika ity tranga ity ireo mponina izay tafaresaka taminay fa mifono raharaha maloto ny firehetan’ny tranon’izy ireo.

Rehefa mandalo krizy ny firenena no miseho foana ny trangan-javatra tahaka izao ka tsy tokony hipetrapetraka ny fanjakana fa hanohy ny fanadiahadiana mikasika ity fahamaizana trano hazo marobe ity. Mampiahiahy!

A.M.

Lire aussi