La Gazette de la grande ile

Firenena Mikambana : Voafidy ho ao anatin’ny filankevitra Ekônômika sy sosialy i Madagasikara

Publié le 19 juin 2020

Vaovao tsara ho antsika Malagasy no niseho tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana any New York, ny alarobia lasa teo. Voafidy ho mpikambana ao anatin’ny filankevitra ekônômika sy sôsialy eo anivon’ny Firenena Mikambana na ny ECOSOC i Madagasikara, nandritra ny fifidianana natao ny alarobia teo. Vato 184 tamin’ny 190 no nahavoafidy an’i Madagasikara ka ny voalohan’ny volana janoary 2021 ka hatramin’ny faran’ny taona 2023 no faharetan’ny fe-potoana maha mpikambana an’i Madagasikara ao anatin’io rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana io. Marihana fa firenena 54 no mandrafitra ny ECOSOC ka ny famolavolana ny drafitra ara-tsôsialy sy ara-toakerana entin’ny Firenena Mikambana eran’izao tontolo izao no asa hiandraiketany. Ankaotran’i Madagasikara dia voafidy ho mpikambana ao anatin’io rafitra io ihany koa i Argentine, Bolivie, Guatemala, Mexique, Bulgarie, Liberia, Lybie, Nigeria, Zimbabwe, Autriche, Frantsa, Allemagne, Grande Bretagne ary Portugal.

F.T.

Lire aussi