La Gazette de la grande ile

Kianja Masoandro : Misy andriana hitarika olona hilahatra

Publié le 19 juin 2020

Fantatra izao fa misy antokon’Andriana avy eto Imerina izay hitarika olona ho eny amin’ny Rova Manjakamiadana amin’ny sabotsy faha 20 jona 2020 izao. Mahakasika ny tsy fankasitrahana ny fanorenana ny Kianja Masoandro ao anatin’ny Rova Manjakamiadana ity no anton’izany. Milaza fa miaro ny hasin’ny rova izy ireo.

Mahakasika ity raharaha ity moa dia mirazara maro ny hevitry ny andriana eto Imerina. Misy ny momba ny fanjakana ankehitriny, misy ireo izay tsy manan-kevitra , ary misy ireo izay manohitra tanteraka izao raharaha izao.

Samy manana ny fomba fijeriny ny olona izay milaza fa taranaky ny andriana eto Imerina amin’ity raharaha ity. Ny aiza no harahina amin’izy ireo?

Lasa resaka politika lalina eto amin’ny firenena ity raharaha ity. Hilahatra dia inona no vokany ?

T.B

Lire aussi