La Gazette de la grande ile

Ozinina hamokatra fanafody : Tonga ireo fitaovana hananganana azy

Publié le 19 juin 2020

Tsy fampanantenana paokaty araka ny filazan’ny sasany fa tena ho tanteraka ny teny nataon’ny filoham-pirenena izay nilaza fa hantsangana tsy ho ela ny ozinina vaovao hamokatra fanafody eto amintsika. Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ampahany voalohany amin’ireo fitaovana sy kojakoja milanja 100 taonina mahery hananganana an’io ozinina mpamokatra fanafody io. Tsiahivina fa tamin’ny filankevitry ny minisitra natao tamin’ny 20 mey lasa teo no tapaka fa ny toerana nisy ny OFAFA teo aloha no hananganana ity ozinina vaovao ity. Raha ny fanazavana nomen’ny filoham-pirenena, nandritra ny fitsenana ireo fitaovana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, dia karazana fanafody maherin’ny 10 no ho vokarina ao amin’io ozinina vaovao io, izay hamidy amin’ny vidiny mirary mba ho zakan’ny Malagasy rehetra. Tamin’ny iray volana lasa moa no nampahafantatra ity tetikasa ity ny filoham-pirenena, betsaka anefa no tsy nino ary nilaza fa fampandriana adrisa fotsiny no ataon’i Andry Rajoelina. Ny azo antoka aloha dia tsy ho vita mialohan’ny datin’ny 26 jona ny fananganana ity ozinina vaovao ity, araka ny teny nataon’ny filoha.

F.Tsihiavonana

Lire aussi