La Gazette de la grande ile

MENETP : Tale telo no voarohirohy amin’ilay “bonbon” 8 miliara

Publié le 19 juin 2020

Hatramin’izao dia mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny marina momba ilay “bonbon” mitetim-bidy 8 miliara ariary mahery izay nahavoaroaka ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy teknika ary arakasa tamin’ny herinandro lasa teo.

Ramatoa Rijasoa Andriamanana izay minisitry ny MENETP voakasika mivantana ity raharaha ity dia mivadibadika tanteraka ny fomba filazany ity raharaha ity. Indraindray milaza fa baiko no notanterahany, indraindray dia milaza indray izy fa tsy novidina ity “bonbon” ity ary tsy nisy ariary niala tamin’izany ny volam-panjakana. Tsy fantatra mihitsy izay tena marina ka izao niafara tamin’ny fandroahana azy izao.

Fantatra ary ankehitriny fa olona maromaro amin’ny MENETP no atao famotorana amin’izany eny anivon’ny Bianco(birao mahaleon-tena miady amin’ny kolikoly). Ahitana ny Daf (directeur administratif et financier), ny PRMP (Personne responsable de marché public) ary tale iray hafa koa. Misy olona maro hafa koa izay mbola hanaovana famotorana koa amin’izany.

Ny minisitry ny MENETP teo aloha Rijasoa Andriamanana dia miandry ny HCJ ( fitsarana avo) ny momba azy ary mbola handalo fankatoavana amin’ny depiote ny fahazoana manao famotorana azy.

Be ny miandry ity raharaha ity. Zava-dehibe tokoa ny toa izao izay fampiharana lalàna avy hatrany izao. Enga anie ka hohamoraina ny lalàna mifehy ny fitsarana ny olona ambony toa izao fa tsy hasarotina toa ny mbola iainana akehitriny fa rehefa diso noho ny fanodinkodinana volam-bahoaka sy halatra be vava dia mitovy amin’ny olona rehetra tratran’ny raharaha ady heloka avokoa.

Tokony hovain’ny depiote ny lalàna momba ny heloka bevava ataon’ny olona mpitondra ambony ireo mba hialana amin’ny kolikoly izay mampahantra ny Malagasy toa izao.

Jesy Rabelaolao

 

Lire aussi