La Gazette de la grande ile

Fidangan’ny vidin-jiro sy rano : miantso ny mpanjifa tsy handoa faktiora ny RNDC

Publié le 19 juin 2020

Zavatra iray anisany mampimenomenona ny vahoaka ankehitriny ny fidangan’ny vidin-jiro sy rano ao anatin’ny faktioran’ny Jirama izay nozaraina tamin’ny fiandohan’ity volana jona ity. Tsy vitan’izay ihany fa andro vitsy monja tao aorian’ny fahatongavan’ny faktiora ho an’ny volana aprily teo dia tonga sahady ny faktioran’ny volana mey. Nanaitra ny mpanjifa izany ary saika mimenomenona daholo ny mpanjifa eran’ny Nosy. Tsy mazava amin’ny daholobe ny antony mahatonga ny faktiora farany lasa midangana be ka mahatonga ny mpanjifa hanana eritreritra hoe mangalatra ny orinasa Jirama. Manoloana izany trangan-javatra rehetra izany dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC izay tsy mankasitraka izao fidangan’ny faktioran’ny Jirama izao. “Tsy rariny izao zavatra ataon’ny Jirama izao ka tsy tokony hanaiky izany ny mpanjifa. Miantso ny mpanjifa rehetra aho mba tsy handoa ny faktiora farany aloha fa hangataka fanazavana na hanao reclamation eo anivon’ny orinasa. Marihako fa izaho Rabetsara Lita dia mpikambana eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jirama, saingy rehefa misy ny zavatra tsy rariny mianjady amin’ny mpanjifa dia tsy maintsy miteny aho na iza faly na iza tezitra”, hoy ny filohan’ny RNDC. Nambarany fa mety nisy ny fahadisoana teo amin’ny resaka informatika tamin’ny fanaovana faktiora ka nahatonga ny saran’ny jiro sy rano hidangana tahaka izao. Marihana fa efa nisy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasam-panjakana ity, saingy tsy naharesy lahatra loatra ny mpanjifa. Raha ny fanazavana nomeny dia misy ny fandaminana vaovao natao amin’ny saran’ny jiro ka izay no mahatonga ny faktiora ho an’ny volana mey lasa avo roa heny. Tsy resy lahatra amin’izany anefa ny fikambanana RNDC ka izao miantso no mpanjifa tsy handoa ny vidin-jiro sy rano izao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi