La Gazette de la grande ile

Volamenan’i Mananjary : Vahaolana ny nampitsaharana ny fitrandrahana

Publié le 14 octobre 2020

Tamin’ny fandalovan’ny filohampirenena Rajoelina tany Mananjary ny alahady teo dia nihaino ny fitakian’ny vahoaka any an-toerana izy ka avy hatrany dia nandray fanapahan-kevitrra fa « atsahatra ary mikatona ny toerana fitrandrahana volamena sahanin’ny vahiny sinoa any an-toerana ». Mampikaikaika ny maro tokoa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volamena any Mananjary ka rariny sy hitsiny, ary tena mifanandrify amin’ny vahaolana hikatsahana ny tombontsoam-bahoaka io fanakatonaa ny toeram-pitrandrahana any an-toerana io.

Ahoana tokoa moa no tsy hahafaly ny maro satria tsy misy fanaraha-maso fa dia tena samy manao izay saim-pantany sy mahadiavolana ny sainy ireo mpitrandraka ? Tsy azo ikimpiana fa misy teratany malagasy miray petsapetsa amin’ireo vahiny mpitrandraka any, ary hatramin’ny ela. Isan’izany ry Voahangy Rajaonarimam­pianina fony teo amin’ny fitondrana ny Hvm.

Ny hetahetan’ny mponina kosa anefa dia ny hoe « tsy ny fanakatonana na fampitsaharana ny fitrandrahana no vahaolana tsara indrindra fa na vahiny na teratany malagasy any aoriana any, na rahampitso, no tonga hitrandraka dia aoka mba ho ny tombontsoam-bahoaka sy izay hahasoa ny firenena no ho fototry ny fampiasam-bola amin’ny asa fitrandrahana toa ireny ».

Manantena, noho izany ny any Mananjary fa tsy hoe nesorina ny vahiny dia hisolo vahiny hafa na hisolo malagasy saingy ny fanao tsy miova fa ny fandrobana ny harena no hisongadina, dia na ny ampahany faran’izay bitika aza tsy hisy hanasoavana an’i Mananjary sy ny vahoaka ao, ary toraka izany koa ny ho an’ny malagasy amin’ny ankapobeny.

Misarika ny fisainan’ny tompon’andraikitra ny vahoaka any Mananjary ny amin’io satria nandre feo ry zareo fa efa novahana ny fanomezana alalana (permis) amin’ny fahazoana fangitra misy volamena, ka sao sanatria isan’ny efa nizarana izany alalana izany ny hitrandraka any Mananjary ato ho ato.

Maniry koa raha maniry ny vahoakan’i Mananjary mba tsy ho kiantrano antrano toy ny hatramin’izay no ho mason-tsivana hizarana ny taratasy fahazoan-dalana hizaka manana fangitra ara-bolamena any an-toerana, ary nahoana moa no tsy ho amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy mihitsy no ho toa izany ?

Ralay

Lire aussi