La Gazette de la grande ile

Fiainam-pirenena : Tsy misy zavatra mandeha intsony

Publié le 13 janvier 2022

Ny politika dia nentina hatsarana ny fiaianam-bahoaka. Tsy izany intsony no mitranga eto Madagasikara tao anatin’ny taona maro izay. Politika natao ho famenoana paosin’ny mpitondra sy ny fianakaviany no misy eto ka ny fitiavan-tena no mibaiko ny zavatra rehetra. Izay nitondra teto amin’ity firenena ity dia lasa mpanefoefo sy mpanakarena avokoa fa ny vahoaka dia miha mahantra sy fadiranovana andro aman’alina.

Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Ny minisitra ao amin’ny governemanta dia tsangan’olona sisa. Tsy vitan’ny tsy manao na inona na inona intsony fa mbola tsy manaraka ny baikon’ny filoham-pirenena koa. Ny ministera ankehitriny dia tsy misy dikany intsony satria tsy miasa hoany firenena intsony fa miandry ny faran’ny volana handraisana vola sisa no ataon’ny mpiasam-panjakana. Fantiantoka tanteraka no vokatr’izany. Miraviravy tànana avokoa ny mpiasa. Mihaim-bidy sy mitotongana ny sandan’ny vola Malagasy ka vidina 4500ariary ny EURO iray amin’izao fotoana izao.

Ny vidim-piaiana dia niakatra 50% tao anatin’ny volana vitsy izay. Voakasika amin’izany ny vary, ny hena, ny menaka sy ny siramamy ary ny zavatra ilaina amin’ny andavan’andron’ny mponina rehetra. Tsy hay tenenina intsony ny fidangan’ny vidin’ny simenitra sy ny vy ary ny hazo fanamboarana trano. Misy mihitsy no miakatra hatrany amin’ny 100% izy ireny.

Ankoatran’ireo dia iarahana mahita ny mahakasika ny covid-19. Tsy mitsahatra mitombo ny olona maty ka mahatratra 8 isan’andro izany amin’ny tarehi-marika ofisialy. Nikorontana izay tsy izy ny fampianarana sy ny fahasalamana.

Tsy misy zavatra mandeha intsony eto Madagasikara ankehitriny. Miraviravi tànana ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny vahiny no mandroba ny harena ankibon’ny tany sy ny volamena ary ny harena an-dranomasina. Potika tanteraka ny firenena. Mitombo isa andro aman’alina ny mpangataka sy ny mpitsipona zaoridira. Potehin’ny mpanao politika ny firenena.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi