La Gazette de la grande ile

Fanalefahana hetran-trano : Resaka adala fotsiny

Publié le 02 décembre 2022

Notontosaina ny alarobia lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fivoriana izay nandinihana manokana ny hetran-trano izay mampimenomenona ny tompon-trano rehetra eto Andrenivohitra, taorian’ny fanitsiana nentin’ny ben’ny tanàna Naina varira sy ny mpiara-miasa aminy. Tsiahivina ihany fa mahatratra hatrany amin’ny arivo heny ny fisondrotran’ny hetran-trano rehefa nihatra ny fanitsiana napetraky ny kaominina. Raha hetra 30.000 Ar tany aloha dia lasa manodidina ny 300.000 Ar, ankehitriny.

Noho ny fimenomenoman’ny mponina eto Andrenivohitra izay indrindra no antony nahatonga ny ben’ny tanàna nampiantso fivoriana tsy ara-potoana nandinihana ny momba an’io hetran-trano midangana be io. Iray andro ihany moa ny faharetan’ny fivoriana sy ny ady hevitra teo anivon’ny filankevitra monisipaly ka tapaka tao anatin’izany ny firosoana amin’ny fanalefahana ny hetra (abattement fiscal) ho famaliana ny antsoantso ataon’ny mponina eto Andrenivohitra amin’ny tokony handinihana akaiky an’izao fidangan’ny hetran-trano mampimenomenona ny vahoaka izao.

Nisy ny fanitsiana natao ao anatin’izay fanelafahan-ketra izay ka ireo trano handoavana 10.000 Ar ka hatramin’ny 100.000 Ar dia handatsahana 10.000 Ar ; ny101.000 Ar ka hatramin’ny 200.000 Ar handatsahana 20.000 Ar ; ny 201.000 Ar ka hatramin’ny 500.000 Ar hanalefahana 60% ; torak’izany koa 501.000 Ar ka hatramin’ny 1000.000 sy ny 1001.000 Ar ka hatramin’ny 3000.000 Ar. Tsara marihana anefa fa resaka adala na fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny io fanitsiana nataon’ny mpitantanana ny kaominina io satria tsy mamaly ny fitarainana ataon’ireo tompon-trano.

Tsara tsipihana ety amboalohany aloha fa taorian’ny fanovàna nataon’i Naina varira sy ny ekipany, dia zara raha misy izany trano handoavana hetra latsaky ny 200.000 Ar izany. Trano hazo kely tsy mampiasa jiro sy rano aza nampandoavina 90.000 Ar. Niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera sôsialy moa ny sarin’io trano hazo ka tena nanaitra ny be sy ny maro. Fandrebirebena vahoaka ny fanalefahana natao satria raha trano nandoavana hetra 50.000 Ar tany aloha ohatra, dia lasa nisondrotra 400.000 Ar amin’izao fotoana ka io 400.000 Ar io no hahena 60%, izany hoe lasa 240.000 Ar.

Raha ampitahaina ny tamin’ilay hetra 50.000 Ar tany aloha anefa izany dia mbola misy fampiakarana 500% be izao kanefa izay taham-pisondrotana ambony be izay mihintsy no tena mahasorena ny tompon-trano. Raha ny fehezan-dalàna ankapobeany mifehy ny hetra eto amintsika mantsy dia tsy tokony hihaotra ny 50% izany taham-pisondrotana izany. Marihana fa niady mafy ny mba hanajana an’ny lalànaireo mpanolotsaina monisipaly mpanohitra toa an’i Clémence Raharinirina, tao anatin’io fivoriana tsy ara-potoana notanterahina tamin’ny alarobia lasa teo io, saingy tsy te hahalala ny mpanatanteraka ao amin’ny kaominina fa nanao letrezana amin’ny tsy maintsy nankatoavana ny fanalefahana notanisaina tery ambony.

Ramanana

Lire aussi