La Gazette de la grande ile

Ambatovy : 10 taona nandrobana ny harenan’ny Malagasy

Publié le 02 décembre 2022

Feno folo taona ankehitriny ny nitrandrahan’Ambatovy ny nickel sy cobalt any amin’iny faritr’i Moramanga iny. Ambatovy no iantsoana ny tetik’asa satria Ambatovy no anaran’ilay toerana anaovana ny fitrandrahana. Ny vondrom-barotra Sherritt no nanomboka ny fitrandrahana ary miovaomva araka ny tompon’ny renivola be indrindra ao no mitantana. Ry zareo japoney no tompon’ny vola miasa betsaka indrindra ao amin’izao fotoana.

Dia mirehaka aoka izany ny tompon’andraikitr’Ambatovy hoe « nitondra ny anjara birikiny goavana teo amin’ny toekarem-pirenena malagasy ». 40 taonina, hono ny nickel voahodina tao tamin’ny fiatombohana 2012. Dia nilaza ny tompon’andraikitra fa « nisy fotoana nisedra olana toy ny fitotonganan’ny sandan’ny nickel teo amin’ny tsena iraisampirenena sy izay mety ho olana iraisampirenena toy ny tamin’ny Covid 19». Fa mba miteny ihany ry zareo hoe « nisy vanim-potoana nahavelom-bolo ». Dia lemena sy pempoina ny lohan’ny malagasy hoe « reharehan’i Madagasikara io tetik’asa io satria io no seha-pitrandrahana harena ankibon’ny tany goavana indrindra eto Mdagasikara ary iray amin’ireo toeram-pitrandrahana nickel sy coblt ao anatin’ny dimy goavana indrindra maneran-tany ».

Tsy misy manohitra an’izany fa ny ninian-dry zareo tsy nambara dia hoe « io tetik’asa io, na goavana toa inona azy dia lohalaharana amin’ny fandrobana ny harem-pirenena eto Madagasikara ».

Ny tale jeneralin’Ambatovy no nanambara, ohatra, tamin’ny volana aprily 2014 fa « nandritra ny taom-piasana 2013 (herin-taona taorian’ny nanombohan’ny fitrandrahana) dia nahatratra 1.000 tapitrisa dolara (1 miliara dolara) ny vola niditra tamin’Ambatovy tamin’ny fanondranana nickel sy cobalt ka 20 tapitrisa dolara no narotsakay tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana malagasy ».

Dia hirehareha amin’izany ve isika malagasy ?

Mbola averinay hatrany fa ny vola andohalihan’ny mpitondra fanjakana nifanesy teto eo ampoto-tongotry ny mpampanjana-bola iraisampirenena amin’ny ankapobeny, isa-taona, dia tsy mihoatran’ny 150 Tapitrisa dolara, nefa ny harem-pirenentsika io avelantsika robain’ny vahiny fotsiny. Tsy resahintsika ny hafa.

Raha voafehy sy vitantsika anefa ny miaro an’izany, sady tsy mila mandohalika any ivelany intsony ny mpitondra no afaka miantoka ny filana rehetra takian’ny fampivoarana ny fiainan’ny zanak’olombelona eto Madagasikara ny malagasy, na fahafaha-mividy na fitsaboana na fanabeazana na fotodrafitrasa na fandriampahalemana na herin’aratra na rano fisotro na fitaterana na famokarana hafa toy ny fambolena sy fiompiana sy ny fanaovan-taozavatra…

Dia mbola hangina sy hanaiky lembenana hatrany ve ny mpitondra fanjakana ? Sao hosokajiana ho isan’ny mpivarotra tanindrazana re ?

Tsimba

Lire aussi