Publié le 02 décembre 2022
Eto Antananarivo dia hatramin’ny 800 ariary ka hatramin’ny 1000 ariary ny kapoaka n’ny vary arakaraka ny hatsarany. Ny any aminn’ny distrikan’Ambatofinandrahana dia 900 ariary no ambany indrindra ary tafakatra 1000 ariary koa amin’ny kaominina sasany. Any amin’ny distrikan’Ikongo dia 1000 ariary tsy misy hovidiny ny vidin’ny vary ambany indrindra. Toa izany koa ny amin’ny faritra maro any amin’ny fartitra Atsimo atsinana maro ka hatrany Taolagnaro. Any amin’ny faritra avaratra manontolo iny any amin’ny faritra Sava sy Diana dia mihoatran’ny arivo ariary ny vidim-bary iray kapoaka.
Raha ny vinavinan’ny olona amin’ireny toerana ireny dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 1200 ariary izany amin’ny andro sarotra. Manahy mafy noho izany ny ankamaroan’ny vahoaka. Tsy ampy ny rotsakorana eto Madagasikara ary misy fiatraikany be dia be amin’ny fiainan’ny tantsaha mpamboly sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny izany. Matahotra mafy ny fahatongavan’ny rivo-doza izay voalazan’ny avy ao amin’ny mpanaramaso ny toe-trandro fa hisy efatra no mety hiantefa amin’ity nosy ity amin’ny taona 2022-2023 ity. Midina ambany dia ambany nefa ny fahefa-mividy amin’ireo toerana ireo. Voatery mitady toerana hifindrana aty andrenivohitra ny tantsaha amin’ireny toerana ireny ankehitriny. Maro no mandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra maro.
Azo antoka fa hitombo ny olona voan’ny kere amin’ity taona ity ka tsy hijanona any amin’ny faritra atsimo ny nosy sy atsimo atsinana ary atsimo andrefana ihany izany. Hatramin’izao aloha dia tsy misy ny vaha olana entin’ny fanjakana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ity. Raha mitohy izao dia hiakatra ambony be ny vidin’ny vary ny taona 2023 io. Hitombo indray ny olona hahantra lalina.
Randriambe