Publié le 06 décembre 2022
Fanaovana fitokanana fanombohana fotodrafitrasa. Manenjika fametrahana vatofototra manerana ny faritra maro ny fitondrana ankehitriny. Hatrany amin’ny filoham-pirenena ka hatramin’ny depiote sy ny senatera ary ny ben’ny tanana TGV (Tanora Malagasy Vonona). Na dia zavatra kely tsy misy dikany dia atomboka daholo amin’izao fotoana izao mba hotokanana hanaovana kobaka am-bava.
Tamin’ny herinandro lasa teo dia notokanan’ny filoham-pirenena ny fanombohana ny fanamboarana ny lalana migodana Antananarivo-Toamasina. Tany Ambatofinandrahana indray dia nitokana ny fanamboarana ny “point noir” na ny faritra tena ratsy avy ao Ivato-Centre ka hatrany Janjina ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine.
Samy miteraka resabe teo anivon’ny fiaraha-monina avokoa ny raharaha ireo. Be dia be no milaza fa sinema fotsiny ireo satria notokanan nakotrokotroka toa ireo koa ny fametrahana ny vatofehizoro ny fanombohan’ny fanamboaran-dalana RN-13 Taolagnaro-Ambovombe Androy volana vitsy lasa izay. Hatramin’izao tsy misy na iray metara akory lalana vita. Toa izany koa ny fametrahana ny fanamboarana ny lalana Moramanga Anosibe An’ala izay nopetraka fotsiny ny vatofehizoro dia tsy nokitihina koa. Nanantena asa mandeha ny mponina any Foulpointe sy Toamasina nefa asa tsizarizary no mitranga amin’izao fotoana izao. Ilay ozinina Ethanol izay tetikasan’ny vadin’ny filoha moa dia maty ankaranany tanteraka hatramin’izao fotoana izao.
Manomboka ny kobaka am-bava ataon’ny mpitondra fanjakana. Ho entina hamitahana ny vahoaka izany. Fantatra nefa fa tsy ho vita toa n y teo aloha ireo.
Izay mahay mandainga sy mamitaka ary mahay miserasera no azo lazaina fa ho lany amin’ny fifidianana nytaona 2023 io.
Jesy Rabelaolao