La Gazette de la grande ile

Velirano -13 : Tsy nitondra inona ho an’ ny Malagasy

Publié le 06 décembre 2022

Mbola tsy nisy fahantrana toa izao teto Madagasikara. Nitombo avy zatoheny ny fidangan’ny vidim-piaianana. Niakatra 1000% ny fisondrotrin’ny hetran-trano teto Analamanga. Nisondrotra 1000 ariary ny kapoakan’ny vary amin’ny faritra maro maneran’ny nosy amin’izay fotoana izao raha toa ka 500ariary izany teo aloha. Tafakatra hatrany amin’ny 3500 ariary ny kilao ankehitriny. Tsy afaka mitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny Malagasy ka niverina amin’ny ravin-kazo sy ny raokandro Malagasy ny maro.

Mahakasika ny lalana indray dia lalam-pirenena roa ihany no mbola vita hatramin’izao dia ny ao Ambilobe Vohemar sy ny ampahany amin’ny lalana Moramanga Ambatondrazaka. Ny lalana any Maintirano sy Tsiroanaomandidy dia tsy hay teneninana intsony ny haratsiany satria herinandro mahery vao vita amin’ny fiara tsy mataho-dalana izany ankehitriny. Toa izany koa ny any Soanieranivongo, Maroantsetra ka hatrany Andapa. Tsy tongan’ny fiarakodia itsony ireo toerana ireo. Ny distrikan’i Marolambo dia mitoka-monina tanteraka. Kandreo, Besalampy, Mitsinjo, Soalala dia hadinon’ny fanjakana tanteraka amin’ny fanamboaran-dalana ity.

Amin’izao fotoana izao dia potika avokoa ny lalam-pirenena lehibe rehetra toa an’ Antananarivo-Toliara izay mandalo ao Fianarantsoa. Mampiteny ny moana ny lalana Ambondromamy hatrany Ambilobe . Betsaka ny distrika izay mitoka-monina ankehitriny toa an’i Midongy Atsimo, Beroroha, Ivohibe, Ikalamavony sy ny sisa maro.Izany no velorano-13 izay nampijaly vahoaka ity.

Eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny tsy fanjariantsakafo ary ny kere dia nitarika fahantrana mihoampanana ny fanatanterahana ny velirano-13 ity satria tsy nijanona any amin’ny faritra atsimo intsony ny kere fa tonga hatrany amin’ny faritra atsimo atsinana sy atsimo andrefana. Isan’ny voa mafy amin’izany ny ao Vohipeno sy Ikongo.

Ny tsy fandriampahalemana dia mandry tsy lavo loha ny vahoaka maro any ambanivohitra amin’izao fotoana izao. Faritry Melaky dia ny dahalo indray no manjakazaka, tsy hay intsony ny asan-dahalo any amin’ny faritr’i Menabe. Any amin’ny faritra Alaotra mangoro dia tsy voafehin’ny fanjakana mihitsy ny fanaovana takalon’aina. Ny faritra andrenivohitra rehetra dia efa lasa fiainana mahazatra ny vakitrano sy ny vonoan’olona ary ny fandrobana.

Nampahantra ny vahoaka Malagasy ny velirano -13 ity. Tsy nitondra fandrosoana hoan’ny Malagasy. Tsy nahavaha olana fa nijanona kabary politika fotsiny ihany ny fanatanterahana azy. Resaka fotsiny no betsaka ny an’ny IRD (isika rehetra miakaraka amin’I Rajoelina) sy ny fitondrana ankehitriny.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi