Fanamarihana ny taom-baovao malagasy: Nilefitra ihany ny farany ny Zanadranavalona

Mbola ady hevitra eto amintsika ankehitriny ny mikasika ny taom-baovao malagasy na ny daty hanamarihana izany raha ny marina kokoa. Tao anatin’ny taona maro izay dia fikambanana 2 no tsy mety mitovy hevitra amin’io daty io dia ny Trano kKolotoraly Malagasy izay miaraka amin’ny fikambanana Fitohasina sy ny Zanadranavolana avy eny Anosimanjaka. Ireto farany izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Faravohitra omaly ary mbola namerina fa tsy ny volana martsa araka ny heveran’ny sasany azy ny taom-baovao malagasy. “Araka ny fanandroana malagasy izay nampiasain’ireo mpanjaka teto Imerina tao anatin’ny 400 taona mahery dia ny faha 24 ny volana jona ho avy izao ny taom-baovao fa tsy ny 28 martsa”, hoy i Ravelonarivo Alain Eddie, filohan’ny fikambanana Zanadranavalona. Rehefa tsy mety resy lahatra moa ny maro an’isa fa mitazona ny datin’ny 28 martsa dia nanapa-kevitra ireto taranak’andriana avy eny Anosimanjaka ireto fa tsy taom-baovao malagasy intsony no hiantsoana ny alahamady hankalazain’izy ireo fa taom-baovaon’Imerina. Raha ny fanazavana nomen-dRavelonarivo Alain Eddie ihany dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny Trano kolotoraly Malagasy ka tao anatin’izany no nivoahan’io fanapahan-kevitra io. Midika izany fa nilefitra ihany ny Zanadranavalona satria hatramin’izay dia niziriziry foana ny fikambanana fa ny azy ireo no taom-baovao marina ka tokony arahan’ny rehetra. Manomboka amin’ity taona ity izany dia ny Trano kolotoraly Malagasy izay miaraka amin’ny fikambanana Fitohasina irery ihany no mamaritra ny daty na ny andro hanamarihana ny taom-baovao Malagasy. Marihana fa eny Ambohimanga no hanamarika ny azy, izay efa mitondra ny anarana hoe taom-baovaon’Imerina, ny fikambanana Zanadranavalona.                                                                                                

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire