Claudine Razaimamonjy: Natahotra mpanao gazety noho ny fanararaotam-pahefan’ny zanany

Fanararaotana tsy misy toa izany ! satria ve matoky fa tandapa eny Mavoloha ny renin’ny tena sady mpanefoefo dia afaka manampatra izany araka izay tiana ? fanontaniana manitikitika ny saina io raha nandre sy nahafantatra avy amin’ny fanadihadiana natao tamin’ny fihetsiky ny zanaka-lahin-dRazaimamonjy Claudine, ny alin’ny zoma 24 martsa hifoha 25 martsa teo. Tetsy amin’ny toeram-pialam-boly « Le Club » etsy Antanimena-Behoririka no nitrangan’ny raharaha.

Tamin’ny voalohany aloha dia efa nanaitra ny maro ny namandrihan’ny zanak’i Claudine Razaimamonjy ny faritra ambony rehetra tao amin’ity toeram-pialamboly ity. Avy eo dia tovovavy ampolony no niara-nentiny tao.

Somary efa hafahafa tamin’ny fijerin’ny manodidina ity zanak’i Claudine Razaimamonjy ity. Nony ela ny ela, tsy ariny fa namaky ady tamin’ny olona hafa niala voly tao izy. Tena ady saritaka sy totohondry mihitsy fa tsy fifamaliana am-bava fotsiny.

Poa toa izay dia tonga i Claudine Razaimamonjy, niaraka tamin’ny mpiaro azy, izay notarihin’ny zandary avy amin’ny G6 roa.

Ny teny voalohany naloaky ny vavan’i Claudine Razaimamonjy raha vao nigadona teny amin’(ity toeram-pialamboly ity izy dia ny hoe « tsy nisy mpanao gazety nahita ve ny raharaha teo ? »

Inona angaha, hoy ianao izao, no dikan’izany ? Mazava fa efa mailo amin’ny zavatra tsy manjary sy fihetsika tsy rariny fanaony sy fanaon’ny manodidina azy izy.

Ajouter un Commentaire