HVM: Hampisambotra mpanao gazety indray

Tamin’ny sabotsy lasa teo dia tany Fianarantsoa ingahy Rivo Rakotovao izay minisitry ny fambolena sady filohan’ny HVM (hery vaovao hoan’i Madagasikara) izay antokon’inghay Hery Rajaonarimampianina.

Voalaza tao amin’ny tatitra nataon’ity filohan’ny HVM ity fa misy mpanao gazety hosamborina hono atsy ho atsy. Fanontaniana mahakasika ny raharaha ankehitriny no niantsony ny mpikambana HVM taminy ka nipoiran’io filazana io nandritrin’ny tatitra momba ny fivorian’ny HVM tany Toamasina . Midika izany fa hampisambotra mpanao gazety indray ny fanjakana ity. Inona no anton’izany? Izany ve no nampidirina an’I Harry Roland Rahajason na Rolly Mercia izay minisitrin’ny serasera? Nanambara mazava tsara ity minisitra ity fa hisy ny fihaonana amin’ny mpanao gazety sy ny fanjakana manomboka izao. Mifanohitra amin’izany no ataon’ingahy Rivo Rakotovao fa hampisambotra mpanao gazety indray. Tena mifanohitra tanteraka ny filazan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Mitory ny fikorontanana sy ny ady an-trano sahady izany.  Ho hitantsika ny tena marina. Mazava izany fa mibaiko ny fitsarana koa ingahy Rivo Rakotovao raha milaza fa hampisambotra mpanao gazety indray.

 Mahakasika ny asa fanaovan-gazety dia maro no tsy mahataty ny vaovao avoakan’izy ireny ny mpitondra fanjakana. Toa ny zavatra mitranga any Turquie izay ampiasan’ingahy Erdogane filohan’ity firenena ity. Ny fisamborana sy fanagadrana mpanao gazety no filamatr’ity firenena ity.

Hoan’ny frantsay indray dia mazava ny asa fanaovan-gazety amin’ny fiadiana amin’ny sehatra fampandrosoana maro amin’ny raharaham-pirenena izay tsy mety ataon’ny mpitondra. Raha toa ka misy olona ao anatin’ny fitondram-panjakana ka voatonontonona any amin’ny gazety amin’ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony hataony, dia avy hatrany dia ampiantsoina hanaovana fanadihadiana iny olona iny na marina na tsy marina ny filazana. Izany no mampalaza ilay gazety hoe” canard enchaîné”.

Hoan’ny eto Madagasikara indray raha milaza ny zavatra hitany fa tsy mety ataon’ny mpitondra fanjakana dia ilay mpanao gazety indray no anaovana fanadihadiana sy ampidirina amponja.

Dia ho hitan-tsika ny tohin’ity raharaha ity.

J.B.

Commentaires   

0 #1 Andrianiaina 29-04-2017 15:31
Ireny Atoa Rivo Rakotovao ireny sy ny forongony no tena mpanao politika Ramasabomanga ,miiambo izy fa nampandany an’i Hery R t@ 2013 nefa mba asehoy @vahoaka oe ny feonao na ny sarinao nitaona olona hifidy an’iHery R t@ireny fotoana ireny,
misy ny archives ahitana izany ra misy kamba asehoy oe fa ra ny hitan’ny be sy ny maro dia nyMAPAR no tena hita t@ ireny dia izao ry Rivo Rakotpvao sy ny forongony vao midehaka oe nampandresy an’iHery R hono.Tsy nandra oa ny vahoaka e.
Ataovy madio sy mangarahara ny fifidianana dia mirotsaha i Rivo R surterrain dia hita eo ,aza mividy olona an!.
Citer

Ajouter un Commentaire