La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 06 décembre 2022

Andiam-balala

Mirongatra be ao Morafeno

Tsy araky ny fitondram-panjakana intsony ny mamono ny andiam-balala any amin’ny faritra samihafa, toy ny any Betamotamo , anatin’ny fokontany Morafeno ao amin’ny kaominina Anjomaramaritiana, distrikan’i Betafo. Telo herinandro izay no lasa , fa tsy ampy tsy lany ny fanafody 20 litatra nalefa tany. Vokany mirongatra be manao andiany ireo valala foy. Faly sahirana ireo mponina any satria dia ilaofan ’ireo mponina atoandro sy hariva ny valala any. Tsy vitan’ny manaitra ny minisitera tompon’andraikitra ny mponina, fa mangataka menaka amin’ny daba mba hanendasana azy koa.

Raokadin’Iarivo

Ho voahelingelina ny fifamoivoizana

Vokatry ny fanovana ny tondro-zotra eo amin’ny Raokadin’Iarivo dia hifandimby ny fahatapahan-dalana manomboka eo amin’ny « Rond-Point » Amoronakona sy ny « Rond-Point » Ambohimahitsy. Ho voahelingelina noho izany ny fifamoivoizana eny noho ny asa fanamboarana, izay efa nanomboka omaly 5 desambra 2022. Iraika ambiny folo andro ny faharetan’ ny asa amin’izany. Ny sabotsy 17 desambra dia hiverina amin’ny laoniny indray ny fifamoivoizana amin’iny Raoakadin’Iarivo nasiam-panovana iny.

Mpiara-miombon’antoka iraisampirenena

Manohana ny ezaky ny Ceni

Omaly alatsinainy 5 desambra 2022 tetsy Alarobia, misy ny foiben’ ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia nihaona tamin’ny filohan’ny Ceni Dama Andrianarisedo indray ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena toa ny Mpandrindra maharitry ny Firenena Mikambana SANOGO Issa, miasa sy monina eto Madagasikara. Manohana ireo ezaka notontosain’ny Ceni ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena nisesy tonga teny tamin’iny herinandro lasa teo iny, dia ny Vondrona Eraopeana, ny Ambasadaoron’’i Frantsa eto amintsika, ny SADC, ary ny OIF. Tanjona iraisan’ireo Mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireo amin’ny fanohanana ny Ceni dia ny hisian’ny fifidianana anaty fitoniana sy fahandriampahalemana hatrany.

Fimamoana am-pamiliana

Hihatra ny sazy

Ny an-kamaroan’ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara dia vokatry fimamoana eny am-pamiliana fiarakodia avokoa. Ny Alakamisy 15 desambra ho avy izao dia hampiharina eto amintsika ny sazy mihatra ho an’ireo mpamily izay anaovana fitsirihana amin’ny fisotrona alikaola. Nisy ny fitsirihana natao ka 11,5 % dia mamo teny am-pamiliana tamin’ny mpamily miisa 266. Fepetra noraisin’ny tompon’andraikitry ny lalana sy ny fifamoivoizana izany mba hisorohana ny loza ateraky ny fifamoana eny am-pamiliana, ka hampihena ny loza mihatra koa.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi