Publié le 06 décembre 2022
Mbola voaporofo amin’ity raharaha eny amin’ny fokontanin’Ambatomaro ity fa tsy mendrika ny ho solombavambahoakan’i Madagasikara mihintsy i Naivo Raholdina na i Betaintsofina. Tsy vitan’ny manampatra fahefana fotsiny fa sady mpanitsakitsaka didim-pitsarana io depiote IRD voafidy teny amin’ny boriboritany faha-5 io, ary tompon-daka amin’ny fanaovana tsindry eny amin’ny fitsarana. Renim-pianakaviana iray eny amin’ny fokontany Ambatomaro indray mantsy no lasibatry ny fanaparam-pahefan’i Naivo Raholdina Betaintsofina, ankehitriny.
Raha hiverenana kely ny tantara dia renim-pianakaviana iray antsoina hoe Razakarisoa Minosoa no mandova tany mirefy 9 ara mahery tamin’ny ray aman-dreniny eny amin’ity fokontany ity. Efa misoratra aminy ara-dalàna ny tany ary manana taratasy rehetra mifandraika amin’izany izy, nanomboka tamin’ny taona 2014. Ny zava-misy anefa dia misy lalana ampiasain’ny daholobe io tany io ka misy amin’ireo mponina eny an-toerana no tsy mankasitraka ny mamefena ny lalana ka nitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Ny volana novambra 2016 no nivoaka ny didim-pitsarana avy amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany izay nanome rariny an-dRamatoa Razakarisoa Minosoa. Voalaza tao anatin’ny didy fa manana zo handrava ireo trano nahorina tsy ara-dalàna ao anatin’io tany io ny tompon-tany, ary manan-jo hamefy ilay lalana fampiasan’ny olona.
Tsy nanaiky izany didim-pitsarana izany anefa ireo mpitory fa nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny fitsarana ambony (cour d’appel). Rehefa nivoaka ny didin’ny fitsarana ambony, ny volana mey 2019, dia mbola nahazo rariny ihany ny tompon-tany, ka ny volana desambra 2019 no nidina teny an-toerana mihintsy ny vadintany nampahafantatra ny didim-pitsarana nivoaka. Rehefa tsy nahazo rariny tamin’ny tribonaly ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony ireo mpitory dia tsy nahita vahaolana intsony afa-tsy ny fitarainana any amin’ny depiote Naivo Raholdina. Teo no nanomboka niditra an-tsehatra i Betaintsofina ka ny zavatra tena mamohehatra dia tsy miraharaha ireo didim-pitsarana nivoaka ity depiote IRD ity fa avy hatrany dia manome rariny an’ireo mpitory.
Ny volana febroary 2022 lasa teo, niroso tamin’ny famefena ny taniny io renim-pianakaviana io, indrisy anefa fa andro vitsy taorian’izay dia tonga teny an-toerana i Naivo Raholdina sy andian’olona maromaro nandrava ny fefy. Tsy vitan’izay fa nalain’ireo andian’olona nentin’i Betaintsofina ireo daholo ny fitaovana nanaovana ny fefy, ary nanao vava be tamin’ilay tompon-tany koa ny tenany. Nametra fitoriana noho izay zava-nitranga izay teny amin’ny fitsarana ramatoa Razakarisoa Minosoa, ny volana febroary ihany, saingy manadrak’ity ny androany, tsy misy tohiny mihintsy ny fitoriana. Nihezaka namantatra ny anton’izany teo anivon’ny fitsarana moa ny tompon-tany ka teo nahafantarana fa ny depiote Raholdina mihintsy no manakana ny fitoriana mba tsy handeha. Mbola nitory teny amin’ny zandary indray ny tompon-tany taorian’izay ka mbola nosakanan’io depiote io ihany koa.
Mbola nangataka alàlana tany amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny prefektiora mba afahany manefy ilay lalana tafiditra ao anatin’ny taniny ihany koa Razakarisoa Minosoa fa miditra an-tsehatra manao tsindry hatrany i Betaintsofina manakana izany. Ny zava-misy dia ny depiote mpanao lalàna indray ity no manitsakitsaka ny didim-pitsarana ary mamporisika ny olona handà izany. Marihana anefa fa araka ny voalazan’ny andininy faha-221 amin’ny fehezan-dalàna fahamaizana (Code pénal) mbola manan-kery eto amin’ny firenena, dia heloka ary mahavoasazy ny fandàvana ny fampiharana didim-pitsarana.
Ramanana