Vadin’ny mpitondra ambony: Nahoana no tsy aiditra ho isan’ny andrim-panjakana koa ?

Trangan-javatra maro mpiresaka nefa tsy dia misy manao soso-kevitra firy ny momba ny tontolon’ny aro-fenitra ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara. Marina ary ekena fa tsy tokony hisy ny fampisarahana olona mivady saingy tokony hisy fetrany ihany ny fanehoana na fanasongadinana ny vadin’ny mpitondra ambony eto fa miteraka olana matetika.

Ny vadin’ny filohampirenena sy vadin’ny tompon’andraikitra ambony ara-panjakana dia manao asa soa no ahafantaran’ny maro azy, saingy amin’izay fanaovana asa sosialy izay dia tsy afangaro amin’ny raharaham-panjakana mihitsy na ampiasana ny fahefam-panjakana. Ny eto amintsika anefa dia izay fampiasana ny fahefam-panjakana izay no fisehony ary misy fanararaotana hangeja ny tompon’andraikitra ara-panjakana isan’ambaratonga mihitsy aza, hatrany amin’ny olom-boafidy sy ny mpiasam-panjakana tsotra.

Manamarika izany izahay satria karazan’ny manana fahefana manokana ny fametrahan’ny sokajin’olona sasany ny vadin’ny mpitondra ambony. Izay no mahatonga anay hilaza hoe « nahoana moa raha aiditra ho isan’ny andrim-panjakana dia mazava ny resaka ary ny lalàna no mamaritra ny anjara -asany sy zara fahefany”.

Saika hita taratra eny anivon’ny fanaovana asam-panjakana eny mantsy matetika ireny vadin’ny mpitondra ambony ireny teto.

Ny alarobia teo, ohatra, nandritra ny lanonam-pitokanana  ilay Trano famakiam-boky natsangan’ny fitondram-panjakana foibe etsy amin’ny faritra misy ny Sekoly fanabeazana fototra etsy Antanimbarinandriana dia ny filohampirenena Rajaonarimampianina mihitsy no tonga nitokana an’izany, ka nohararaotiny iny fotoana iny mba hamaliany bontana ny feo sy fitsikerana miantefa any aminy sy ny fitondrana tarihiny, hatramin’ny olona manodidina azy, toy ny vadiny.

Voalaza hatrany amboalohany moa fa « indraindray dia tetikasan’ny filohampirenena io », fa indraindray koa dia hoe « isan’ny asa sosialy avy amin’ny vadin’ny filohampirenena » ny asa toa ireny fananganana trano famakiam-boky vao notokanana ireny .

Fa tamin’ny lahateny nataon’ny filoha Rajaonarimampianina no nanaovany teny mampieritreritra sy hafahafa fitranga, toy ny hoe « raha mahavita mba manaova », sy ny fanindraindrana mbamin’ny fanasohasoana ny vadiny ho manao ezaka marobe.

Tsy maninona fa sarotra ho azy ny hiteny ny marina momba ny vadiny eo imasom-bahoaka na dia re ety ivelan’ny lapa sy ivelan’ny tokantranon’izy mivady ihany aza ny zava-mitranga sasantsasany ao, ka mahatonga an-dramatoa matetika mandeha « misintaka », ary mahavoatery an-drangahy « hampody vady ». Ny mahasamihafa azy fotsiny dia tsy any amin’ny tranon-dray aman-dreniny ramatoa no mody rehefa misintaka, araka ny fepetra takian’ny lalàna malagasy, fa any ampitan’ny ranomasina, ary mandeha any mihitsy Ingahirainy mampody azy.

Avelantsika eo ny momba an’izany, na azo resahina tsara mihitsy aza satria misy fiantraikany amin’ny asa fitantanan-draharaham-panjakana ny akon’ny olana ao an-tokantranon’ny mpitondra ambony, matetika.

Ny tsy azo lalovam-potsiny koa anefa amin’ny raharaham-pitantanana ny firenena toa izao dia ny anjara-toeran’ny vadin’ny filoha na ny vadin’ny mpitondra ambony amin’ny ankapobeny.

Matetika dia tsy mahay mipetraka amin’ny toerana maha-vady azy izy ireny fa miseho ho sarotiny sy mahay noho ny hafa. Dia miezaka miditra lalina amin’ny raharaham-panjakana.

Tokony tsy hadinoina fa nandritra izay 57 taona niverenan’ny fahaleovan-tenam-pirenena izay dia nisy hatrany matetika ny fanamarihana miharo fanakianana miantefa any amin’ny vadin’ny mpitondra ambony teto ho miditra lalina loatra amin’ny raharaham-panjakana. Raha mba miditra hanatsara moa ka haninona fa matetika dia ny mifanohitra amin’izany no vokany.

Mety miteraka fisainana hafahafa amin’ny olom-panjakana mpiara-miasa amin’ny filoha vadiny ny fihetsik’ireny vadin’ny filoha ireny. Matetika no mivadika ho fifampialonan’ny samy vehivavy mifanerasera ao an-dapa, ka mety ho tonga hatramin’ny fiahiahiana ny filoha vady hoe « mifampisakaiza » amin’ny vehivavy hafa mpiara-miasa aminy, sy ny sisa.

Miseho amin’ny fibaikobaikoana sy fahasiahana amin’ny olom-panjakana mihitsy ny tranga sasany, ary misy ny fotoana aza, ilay vady no lasa mibaiko amin’ny fanapahan-kevitra pôlitika raisin’ilay filoha momba ny raharaham-panjakana.

 

 

Angovo: Tokony hidina ny vidin-tsolika eto amitsika

Zavatra iray anisan’ny mbola manahirana  ny Malagasy ary mampametra-panontaniana ny maro ny vidin-tsolika. Amin’ny ankapobeany dia tsy mitsahatra ny misondrotra ny vidiny eto amitsika kanefa tsy tahaka izay ny zava-misy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha ny omaly alahady 26 martsa izao dia nidina hatrany amin’ny 48 dolara amerikanina ny barila amin’ny solitany. Izany hoe latsaka ambany dia ambany raha ampitahaina amin’ny vidiny volana vitsy lasa izay. Tamin’ny fiandohan’ity taona 2017 ity dia teo amin’ny 52 dolara teo ny barila iray amin’ny solitany, tafakatra 54 dolara tany amin’ny faramparan’ny volana febroary, ary nanomboka nidina 49 dolara tany amin’ny tapatapak’ity volana Martsa ity.

Raha ny lojika dia tokony hidina ihany koa ny vidin’ny solika eto amitsika afaka fotoana fohy satria tokony hiankina amin’ny vidin’ny Barila amin’ny solitany ny vidin-tsolika eny amin’ireo mpaninjara. Tsiahivina fa ny voalohan’ity volana ity no niakatra farany ny vidin-tsolika teto amitsika ary nahitàna izany fisondrotana izany daholo na gazoala, lasantsy ary ny solika fandrehitra. Raha ny filazan’ny fanjakana moa tamin’io fotoana io dia tsy hihetsika intsony izany vidin-tsolika izany eto amintsika ao anatin’ny 3 volana hoavy. 

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire