La Gazette de la grande ile

Fampianarana : Mizotra mankany amin’ny taona fotsy

Publié le 15 juin 2020

Mizotra tanteraka mankany amin’ny « taona fotsy » na ny « année blanche » ny fampianarana eto Madagasikara ankehitriny. Ny volana jona ity no mifarana ny taom-pianarana 2019-2020 hoan’ny sekoly fanabeazana fototra rehetra. Manomboka ny volana jolay indray ny an’ireo manaraka dia ny CEG sy ny Lycée izany. Ny mpianatry ny oniversite indray dia mbola samy afaka mandrirotra ny azy araka izay tiany avokoa, nefa na izany aza dia tsy afaka miditra an-tsekoly izy ireo noho ny “coronavirus” izay mbola mahazo vahana tanteraka amin’izao fotoana izao. Tsy mbola fantatra izay hiafarany.

Na tiana na tsy tiana dia tapitra aloha ny taom-pianarana amin’ity taona ity. Izany indrindra no antony ipetrahan’ny ady hevitra ankehitriny momba ny hoavin’ny fampianarana sy ny zaza Malagasy.

Lafiny maro no tsy azo sarahina noho izany dia ny mahakasika ny fampianarana ny zaza sy ny fandaharam-pianarana vitany sy tsy vitany ka tokony hitsarana azy na tokony hafindra kilasy izy ireo na tsia.

Ny lafiny iray hafa indray dia mahakasika ny fandaniana nataon’ny raiamandreny amin’ny fikarakarana ny zanany nandritry ny 7 volana nianarany fa indrindra ny any sekoly tsy miankina. Vola tsy toko tsy forohana no lany tamin’izany ka inona no fanapahan-kevitra ho raisina. Hafindra kilasy sa hajanona mamerina taona avokoa ny zaza rehetra?

Ny lafiny fahatelo dia ny mahakasika ny sekoly, fa indrindra ireo sekoly tsy miakina satria dia sady fanabeazana no mibaiko azy ireo nefa dia orinasa koa izy ireo. Ny olana voalohany amin’izany dia ny mikasika ny ara-bolan’ny sekoly sy ny karaman’ny mpampianatra ao anatiny. Faharoa dia ny mahakasika ny maha orinasa azy. Raha tsy mitandrina ny mpitarika sekoly dia hisy olana lehibe izany. Na hisy kilasy tsy hisy olona mpianatra na koa hisy kilasy hisy mpianatra nafindrafindra fahatany.

Amin’ny lafiny ara-teknika sy pedagôzika dia mazava hoazy fa ny fampianarana dia tsy maintsy 10 volana no mianatra ary roa volana no misy ny fialan-tsasatra lehibe alohan’ny hidirana taom-pianarana vaovao indray. Raha mihoatran’ny roa volana ny mpianatra no tsy mianatra dia hatrany amin’ny 50 ka 60% no miraikitra no voatahiriny ny zavatra nomena azy fampianarana azony. Izany nefa dia miankina amin’ny fahakingan’ny sain’ny mpianatra sy ny fahaizan’ny mpampianatra. Raha toa ka tsy lavorary loatra ny fenitry ny fampitana sy ny fomba fampianarana dia very hatrany amin’ny 70 ny zavatra nianarana. Eo amin’ny ankizy amin’ny fanabeazana fototra no tena mitranga izany seho izany.

Raha izay no misy dia hita fa telo volana no tsy ampy tamin’ny fampianarana dia tokony hifarana ny taom-pianarana teto Madagasikara ka raha tena nianatra ara-dalana dia nahazo 70 % ny zavatra tiana hampitana no vitan’ny ankizy.

Eo anatrehan’izay dia moa ve tokony hafindra kilasy ny kilonga sa hajanona mamerina taona? Mbola misy fepetra maro tsy maintsy takiana nefa vao azo afindra ny kilonga. Tena sarotra ny raharaha hoy ny fitenenana.

Eo amin’ny lafiny ekônomika indray dia volabe no lanin’ny ray amandreny tamin’ny zanany tao anatin’ny 7 volana izay. Inona no hatao? Mbola fanontaniana sarotra koa ny valiny. Misy mihitsy aza no efa be taona ny kilonga ka tokony efa hifindra kilasy araky ny vinavinan’ny raiamandreny sy ny mpanabe. Tsy azo ataotao foana nefa ny famindrana kilasy raha toa ka mieritreritra olom-pirenena vanona isika aoriana any. Inona no tokony hatao sy fanapahan-kevitra horaisina eo anatrehan’izany.

Raha ny loha-hevitra kely ireo no asian-teny dia tsy maintsy mijery ny lafiny maha orinasa ny sekoly isika ka manome lanjany ny lafiny ara-bola izay mampiana azy ireny toa ny orinasa rehetra. Ny tombony tsy maintsy tadiavina, ny karaman’ny mpiasa ao aminy, ny fikojakojana ny fitaovana maro samy hafa, ary hoan’ny sekoly izay manofa trano dia tsy maintsy jerena avokoa izany.

Sahirana noho izany ny sekoly tsy miankina ankehitriny.

Hoan’ny kilasy faha 7 sy faha 9 ary famaranana dia ireny efa hita fa nasaina nianatra ireny ny ankizy ary efa mivoaka ny datin’ny fanadinana. Ny olana dia ireo kilasy hafa izay tsy nisy vaha olana mihitsy. Marina fa nisy sekoly afaka nanome devoira ihany saingy vitsy dia vitsy izy ireny ary natao hoan’ny sekoly manakatao koa. Toa izany koa ireo afaka nampianatra tamin’ny alalan’ny tranokala ,nefa dia tsy mitovy amin’ny fianarana tany an-tsekoly.

Ny olana amin’izao fotoana izao dia tsy misy minisitra miahy ny fanabeazana sy fampianarana ankehitriny. Noesorina ny minisitra tompon’andraikitra. Minisitra vonjimaika no miandraikitra azy. Mitaky politika matotra sy mahomby izao krizy izao.

Ankehitriny dia mizotra tanteraka amin’ny “année blanche” na ny “taona fotsy” ny fampianarana eto Madagasikara. Maro ny olana vokatr’izany. Tsy mahasahy manampakevitra ny fanjakana eo anatrehan’izany. Raha mitohy izao dia samy handeha samy mitady ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy hita intsony izay ilana ny fanjakana eo anatrehan’izany. Ny toa izao indrindra nefa no ilaina mpiahy fanjakana handray fanapahan-kevitra fa indrindra minisitra tompon’andraikitra tena mahavita azy.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi